• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Diététicien/Nutritionniste
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana « fer » : mety mitarika tsy fahampian-drà

01/06/2023 16:26 © Moov.Mg

Fotsy hatsatra, reraka lava na fanina matetika ve ianao ? Mety tsy fahampiana fer no mahazo anao. Anisan’ny antony voalohany mahatonga ny tsy fahampian-drà na « anémie » ny tsy fahampiana io mineraly io amin’ny vatana. Mba hahamora ny fitsaboana izany dia andeha ho fantarina ireo fambara ny tsy fahampiana fer, ireo antony mahatonga izany ary ireo sakafo ahitana fer betsaka tsara hoanina.

Inona avy ireo fambara ny tsy fahampiana fer ?
Ny fer dia manampy amin’ny fitaterana sy ny fitehirizana ny « oxygène » hita ao anatin’ny rà mankany amin’ny taova sy ny hozatra amin’ny vatan’olombelona. Ilaina betsaka amin’ny famokarana ny sela mena anatin’ny rà ihany koa ny fer. Ny tsy fahampiana fer noho izany dia mitarika tsy fahatomombanana amin’ny fanomezana oxygène ny taova sy ny hozatra.
Rehefa tsy ampy fer ny olona iray dia lasa fotsy hatsatra, reraka lava, mora sempotra, fanina, marary an-doho, mihintsana volo, tapatapaka ny hoho… Izany rehetra izany moa dia nohon’ny fihenan’ny sela mena ao amin’ny rà. Raha toa ka tsy voatsabo ny tsy fahampiana fer dia mety mitarika tsy fahampian-drà na « anémie ». Ny fitiliana rà na ny fitiliana ny « moelle osseuse » no fomba azo antoka hamantarana fa tsy ampy fer ny olona iray.
Ny antony mahatonga ny tsy fahampiana fer
Amin’ny ankapobeiny dia ny fahaverezana rà be loatra no mahatonga ny tsy fahampiana fer eo amin’ny olon-dehibe. Mety izany nohon’ny ratra, fadim-bolana na antony hafa ara-pahasalamana. Ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana na tsy voalanjalanja no antony mety mahatonga izany eo amin’ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka.
Misy ihany koa ireo karazan’olona mety ho tratry izany tsy fahampiana fer izany. Anisan’izany ny vehivavy efa tonga amin’ny taona tokony hiterahana na koa ireo mandeha rà be loatra mandritra ny fadim-bolana. Mety ho tratry izany ihany koa ny ankizy eo anelanelan’ny enim-bolana sy efa-taona, ireo olona « végétarients » na tsy mihinan-kena ary ireo olona manana aretin’ny voa.
Ireo sakafo ahitana fer betsaka
Mba hisorohana ny tsy fahampiana fer sy hanohanana ny fitsaboana izany dia tsara ny mihinana ireo sakafo ahitana fer betsaka. Anisan’izany ny taovankena, ny trondro matavy toy ny sardine, ny tsaramaso maina, ny lentille, ny épinards, ny atody, ny olatra, ny thym, ny zavoka, ny brocoli sy ny cacao. Tsy adinoina ny mihinana voankazo mitahiry vitamine C rehefa avy misakafo mba ahafahan’ny vatana mandray tsara ny fer.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo