• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Poderm Professional
Image
Fahasalamana&Sakafo

Hoho malemy sy manify : Fikarakarana mahomby na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy

15/03/2023 17:02 © Moov.Mg

Sarotra karakaraina tokoa ny hoho malemy sy manify. Mora tapaka izy ireny matetika ela koko vao maniry. Raha anisan’ireo manana hoho malemy sy manify ianao, ireto ary misy fikafika mandaitra sady natoraly azo atao hikolokoloana azy.

Rano mafana asiana sira: fanadiovana ny hoho malemy sy manify

Mila fikolokoloana misimisy kokoa ny hoho malemy sy manify. Atomboka amin’ny fanadiovana azy isan’andro izany. Tsy ny vehivavy ihany no voakasika eto. Mila fikarakarana ny hoho na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Ny fampiasana rano mafana misy sira no tsara indrindra hanasana azy. Maka rano iray litratra ary alefa ao ny sira 1 sotro fihinana. Ataingina eo ambony afo ary esorina rehefa mangotraka kely. Endrasana hafana fa tsy mamay be ilay ranon-tsira ary avela hilona mandritra ny 10 minitra ao ny hoho vao kosehina aminy borosy kely. Mila mivatra manao izany isan’andro mba ahazoana vokatra tsara.

Voasary makirana : manamafy ny hoho malemy sy manify

Ny voasary makirana no anisan’ny akora natoraly mandaitra indrindra amin’ny fikarakarana ny hoho, indrindra ho an'ireo manana hoho malemy sy manify. Tsotra ny fampiasana azy. Zaraina roa ny voasary makirana ary ahosotra avy hatrany eo amin’ny hoho avy nosasana sy namainina. Ataovy indroa isan-kerindro izany, ho hitanao fa hihamafy sy hihamatevina ny hohonao. Ny voasary makirana ihany koa dia manafotsy ny hoho mivaramavo. Afaka soloina tongolo gasy ihany koa ny voasary makirana raha sendra tsy misy ity farany ao an-trano. Tsara hosorana huile d’olive manify ny hoho avy nasiana voasary makirana rehefa avy kobanina. Manamandina sy mahatsara endrika azy izany.

Menaka kinana, mampalava sy mampatevina ny hoho mora tapaka

Ny menaka kinana (huile de ricin) dia menaka azo avy amin’ny zava-maniry. Fantratra indrindra izy io amin’ny fikarakarana volo manify sy tsy mety lava. Azo ampiasaina ihany koa ity menaka ity mba hanalavana ny hoho mora tapaka. Ny hoho malemy sy manify matetika dia mila vitamine E sy oméga 6. Ahitana taha ambony amin’ireo singa ireo ny menaka kinana. Hosorana io menaka io eo ambony sy ao ambanin’ny hoho alohan’ny handeha hatory. Avela hilona mandritry ny alina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo