• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fihaonan’ny ministry ny Toekarena sy ny solotenan’ny GEM

07/02/2023 17:02 © Moov.Mg

Nihaona ary niara-nisakafo tamin’ireo solotenan’ny « Groupement des Entreprises de Madagascar » na ny GEM ny ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON omaly. Teo ihany koa ireo Tale Jeneraly eo anivon’ny ministera, izay mifandray mivantana amin’ireto mpisehatra tsy miankina ireto.

Natao izao fiaraha-misakafo izao mba hanatsarana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta. Isan-telo volana ary dia hisy ny fihaonana eo amin’ireo foibem-pitondrana Ankapobeny (DGD,DGT, DGI) sy ireo solotenan’ny Groupement des Entreprises de Madagascar. Ho resahana mandritra izany fihaonana izany ohatra ireo hevitra sy resaka mety tsy mifankahazo. Ho mora kokoa ho an’ny roa tonta aorian’izany ny mitady vahaolana amin’izay olana mety hiseho sy ny manatsara ny fifandraisan’izy ireo.
Tamin’izao fiarahana voaloha izao dia tonga nanotrana ny fiaraha-misakafo teo amin’ny roa tonta ny ministra. Fa ho amin’ny fotoana rehetra ho avy kosa dia ireo tompon’andraikitra samihafa efa voatendry ho amin’izany no hanatanteraka izao fihaonana isan-telo volana izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo