• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo feo madinika avy amin'ny fiara tsy tokony atao tsirambina

14/10/2026 14:05 © Moov.Mg

Ara-dalàna raha mamoaka feo isan-karazany ny fiara rehefa mandeha. Misy kosa anefa feo sasany tsy mahazatra izay mety manambara olana ara-mekanika vao miandoha. Raha tsy voakarakara ara-potoana ireo olana ireo dia mety hitarika fanamboarana lafo vidy na hampidi-doza amin’ny fiarovana mihitsy aza. Ilaina arak’izany ny mahafantatra ireo feo fampitandremana ireo.

Feo mikikitra rehefa manitsaka hisatra (frein)

Raha mandre feo maranitra na feo mikikitra ianao rehefa manitsaka hisatra dia mety ho famantarana izany fa efa mihamanify ny « plaquette de frein ». Raha tsy raharahiana io feo io dia mety hitarika amin'ny fahasimban'ny « disque de frein », ka hampiakatra be ny saran'ny fanamboarana. Ilaina noho izany ny manamarina haingana ny rafitry ny hisatra raha miseho matetika io feo io.

Feo mikapoka avy amin'ny « suspension »

Ny raha mamoaka feo mikapoka na midobodoboka ny fiara rehefa manitsaka lavadavaka na mandeha amin’ny arabe mikorontana dia mety manondro olana amin'ny « amortisseur », « rotule », « biellette de barre stabilisatrice », na singa hafa ao amin'ny « suspension » izany. Ny fahasimban’ny « suspension » dia mety hampihena ny fifehezana ny fiara eny an-dalana sy hanafaingana ny fahasolan’ny kodiarana.

Feo mirohondrohona mihamafy rehefa mitombo ny hafainganam-pandeha

Raha mahare feo mirohondrohona mihamafy arakaraka ny fitombon'ny hafainganam-pandeha, dia mety ho famantarana fahasimaban’ny « roulement de roue » izany. Mety ho malefaka ilay feo amin’ny voalohany, avy eo mihamafy tsikelikely ary mety hiaraka amin’ny fihovitrovitry ny fiara. Raha avela ela izany dia mety hanimba singa hafa ao amin'ny « train roulant ».

Feo mikitrokitroka avy ao ambanin'ny « capot »

Tsy tokony atao tsirambina mihitsy ny feo mikitrokitroka avy amin'ny motera. Mety ho vokatry ny tsy fahampian'ny menaka motera, fahatrotrahan’ny kojakoja anatiny, na olana amin'ny fandoroana solika izany. Indraindray ny fanaovana fikojakojana (entretien) tsotra dia ampy hamahana ny olana. Saingy amin’ny toe-javatra hafa kosa dia mety manambara fahasimbana goavana eo amin’ny motera izy io.

Feo misioka tsy mahazatra

Ny feo misioka avy ao ambanin'ny « capot » dia mety avy amin'ny « courroie » efa tonta na malalaka. Ny « courroie » nefa dia manana anjara toerana lehibe amin'ny fiasan'ny « alternateur », « pompe à eau » sy ny « climatiseur ». Raha tapaka izy io dia mety hisy fiantraikany amin'ny fiasan'ny fiara manontolo.

Feo midoboka avy amin'ny motera

Ny feo midoboka miverimberina, indrindra rehefa mandeha mafy ny fiara, dia mety manondro olana eo amin'ny fandoroana solika na fahasimban'ny singa sasany ao anatin'ny motera. Tokony hojerena haingana izany satria mety hiteraka fahasimbana lehibe kokoa raha tsy voatsabo ara-potoana.

Feona vy mikarantsana rehefa manova « vitesse »

Raha misy feona vy mikarantsana rehefa manova « vitesse » dia mety manambara olana amin'ny « embrayage », « boîte de vitesses », na « système de transmission » izany. Ny famantarana sy fanamboarana mialoha ny olana dia mety hisoroka fandaniana lehibe kokoa any aoriana.

Rahoviana no tokony hanatona matihanina?

Maro ny mpamily mangatak’andro amin’ny fijerena na fanamarihana ny fiara noho ny fiheverana fa tsy dia misy atahorana ny feo kely tsy mahazatra avoakan’ny fiara. Matetika nefa ireny feo madinika ireny no manambara mialoha ny olana lehibe. Tsara arak’izany ny manatona garazy na matihanina raha:
-miseho tampoka ilay feo;
-mihamafy tsikelikely izy;
-miaraka amin'ny fihovitrovitry ny fiara izany;
-mirehitra ny jiro fampitandremana eo amin'ny « tableau de bord »;
-miova ny tanjaky ny fiara na ny fifehezana azy eny an-dalana.

Lire la suite

Articles Similaires