Famonoan-tena: ireo antony sy famantarana tokony ho fantatra
Marihana isan-taona ny 10 Septambra ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fisorohana ny Famonoan-tena. Izy io dia miompana amin’ny fanentanana ny rehetra mba hahafantatra ireo antony mety hahatonga ny olona iray ho tonga amin’ny famoan-tena sy ny fomba mahomby hampihenana ny loza.
Inona avy ireo antony mety hitarika amin’ny famonoan-tena?
Tsy misy antony tokana mahatonga ny olona iray hieritreritra hamono tena. Matetika dia olana maro mifangaro no mety hahatonga azy hahatsapa fa tsy zakany intsony ny fiainana.
Mety ho fahaketrahana na fahoriana ara-tsaina lalina, olana ara-bola sy trosa, fahaverezan’asa, olana eo amin’ny mpivady na fianakaviana, fisarahana amin’ny olon-tiana, fahafatesan’olona akaiky, aretina na fanaintainana maharitra, « traumatisme » sy herisetra, fitokana-monina, fandraisana toaka sy zava-mahadomelina tafahoatra…
Indraindray moa dia tranga na toe-javatra iray tampoka sy tena mampahory dia mety mampihetsika ny « crise », indrindra raha efa niatrika fahasahiranana maro ilay olona. Tsy midika anefa izany fa izay rehetra miaina ireo olana ireo dia hamono tena. Ny zava-dehibe dia ny fahafantarana fa rehefa mahatsapa ho tsy misy lalana hivoahana intsony ny olona iray, dia ilaina ny manome fanohanana sy ny fanampiana ara-potoana azy.
Inona avy ireo famantarana tokony hampitandrina?
Rehefa ao anatin’ny fahoriana lalina ny olona iray dia mety hisy fiovana amin’ny fitondran-tenany. Anisan’ireo famantarana tokony hampitandrina ny :
-Firesahany matetika momba ny fahafatesana na ny fitenenany hoe tsy mahita dikany amin’ny fiainana intsony izy ;
-milaza fa enta-mavesatra ho an’ny hafa izy;
-mahatsapa fa tsy misy vahaolana intsony;
-mitoka-monina tampoka;
-very fahalianana amin’ny zavatra tiany taloha;
-miova be ny toe-po;
-mitombo ny fisotroana toaka na fandraisana zava-mahadomelina.
Tsy midika avy hatrany fa hamono tena ny olona iray manana ireo famantarana ireo. Raha miseho miaraka amin’ny toe-javatra sarotra iainany nefa izany, indrindra raha misy fiovana tampoka sy lehibe ny fitondran-tenany dia tsara hatrany ny mijery akaiky izany.
Inona no atao raha heverina ho toa tandindomin-doza ny olona iray?
Rehefa milaza fa mieritreritra hamono tena ny olona iray, dia tsy tokony hiandry fotsiny hoe ho afaka ihany izany eritreriny izany.
-Mijanòna eo anilany : Raha toa ka tena maika sy mampidi-doza ny toe-javatra, dia tsara raha tsy avela irery ilay olona. Afaka mijanona miaraka aminy ianao na miantso olona atokisany mba hiaraka aminy.
-Ampio izy hifandray amin'ny matihanina : Dokotera, mpitsabo momba ny fahasalamana ara-tsaina, mpanolotsaina na mpiasan'ny sosialy dia afaka manampy amin'ny fanombanana ny toe-javatra sy ny fitadiavana ny fanohanana mety.
-Esory na ferana ny fahafahany mahazo zavatra mety hampidi-doza : Rehefa ao anatin'ny « crise » ny olona iray dia mila alavirina azy ireo zavatra mety hampiasaina handratra tena. Afaka manome fotoana sarobidy hahafahany mandalo ilay fotoana mampidi-doza indrindra moa izany.
-Tohizo ny fifandraisana aminy : Tsy tokony hijanona amin'ny resaka iray na fitsidihana iray ihany ny fanohanana. Ny fiantsoana azy matetika, fandefasana hafatra na fanontaniana tsotra hoe « manao ahoana ianao androany? » dia mety hampahatsiahy azy fa tsy irery izy.




