• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Lohataona Taombaovao any Morondava : 5 andro anomezana lanja ireo foko rehetra eto Madagasikara

04/09/2026 14:18 © Moov.Mg

Hankalazaina mandritra ny dimy andro, ny 14 hatramin’ny 18 septambra 2026, any Morondava, Faritra Menabe, ny andiany fahavalo amin’ny Lohataona Taombaovao. Hetsika nasionaly natao hampivondronana ny Malagasy sy hampahafantarana ny fahasamihafan’ny kolontsaina sy ny vakoka ananan’ireo foko 22 eto Madagasikara izy ity.

Fampiraisana ny Malagasy tsivakivolo

Araka ny fanazavan’ny Tangalamena Zakariasy Patrick, filohan’ny Komity Mpikarakara, fotoan-dehibe nasiônaly ny Lohataona Taombaovao, satria mampivondrona ny Malagasy manodidina ny maha-Malagasy, ny fihavanana, ny firaisankina ary ny firaisam-pirenena. Ity fotoana ity ihany koa no ahafahan’ny Malagasy, avy amin’ny faritra samihafa, mifampizara ny fomba amam-panaony sy mampita amin’ny taranaka vaovao ireo soatoavina sy vakoka ara-kolontsaina.

Ho an’ny andiany amin’ity taona ity, dia hasongadina manokana ny harena ara-tantara, ara-kolontsaina, ara-drazana ary ara-pizahantany ananan’ny Faritra Menabe. Araka izany, ho avy ao Morondava avokoa ireo solontena avy amin’ny faritra samihafa, ahitana manam-pahefana ara-panjakana sy ara-drazana, mpisehatra ara-kolontsaina, tanora ary fikambanana maro, hiara-hanandratra ny maha-malagasy, haneho firaisankina ao anaty fahasamihafana.

5 andro hanandratana ny kolontsaina

Hanomboka amin’ny 14 septambra ny hetsika fankalazana, amin’ny alalan’ny diabe na « carnaval » handraisan’ireo foko rehetra eto Madagasikara anjara, izay hitety ny tanànan’i Morondava. Ny 15 septambra kosa dia hatokana ho an’ny fanehoana ireo vakoka maha-Malagasy, ka samy hampiseho ny vako-drazana sy ny fomba amam-panaony avokoa ny foko tsirairay.
Ny 16 septambra dia hisy ny famelabelaran-kevitra momba ny tantaran’ny foko Sakalava, ny fifindra-monina Sakalava ary koa momba ny maha-Malagasy, amin’ny ankapobeny. Hisy atrikasa momba ny kolontsaina ihany koa, hiarahana amin’ireo raiamandreny ara-drazana avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara.
Ny 17 septambra dia hisy ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara ao Mahabo, distrika any amin’ny 45km mialohan’ny hidirana ny tanànan’i Morondava. Any no ahitana ny Zomban’ny Mpanjakavavy Resaotsy sy ny Zomban’Andriandahifotsy, arahina nofon-kena mitam-pihavanana.
Hamaranana ny fankalazana, amin’ny 18 septambra, ny fangatahana eo amin’ny vavaranon’i Morondava, ho fanatsarana ny jono, iarahana amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Aorian’izany dia hisy ny fitokanana ny tsangambaton’ny foko 22, ary hifarana amin’ny fanambaran’ny Vovonan’ny Raiamandreny Ara-drazana eto Madagasikara ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires