Ady amin’ny lefakozatra : Ankizy « aotra daozy » miisa 42 661 no nisitraka vaksiny, tany Atsimo
Nahatratra 104,1% ny tahan’ny fandrakofana nandritra ny andiany voalohany tamin’ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny lefakozatra, tany amin’ny faritra dimy any atsimon’i Madagasikara. Anisan’ny vokatra lehibe tamin’izany ny fisitrahana vaksiny VPO, teo amin’ireo ankizy miisa 42 661 mbola tsy nahazo vaksiny mihitsy na iray aza, antsoina hoe « aotra daozy ».
Ankizy maherin’ny 1,2 tapitrisa vita vaksiny
Tontosa ny 11 ka hatramin’ny 14 aogositra 2026 ny andiany voalohany tamin’ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, taorian’ny nahitana trangana lefakozatra teto Madagasikara. Anosy, Androy, Atsimo-Andrefana, Atsimo-Atsinanana ary Ihorombe no faritra nanatanterahana ity hetsika ity. Miisa 1 174 264 ny ankizy vao teraka ka hatramin’ny 59 volana nokendrena manokana tamin’ny hetsika, raha miisa 6 523 694 kosa ny mponina ao amin’ireo faritra dimy ireo.
Araka ny tatitry avy amin’ny Fandaharanasa momba ny Vaksiny Faobe (PEV), eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia ankizy miisa 1 222 196 no nahazo vaksiny VPO. Nahatratra 99,2% ny tatitra voaray sy feno. Tao anatin’izany no nahafantarana fa raha 95% ny tanjona napetraka amin’ny fandrakofana (taux de couverture), dia tafakatra 104,1% ny vokatra azo.
Mila amafisina ny fanaovam-baksiny
Tamin’ity taona 2026 ity dia voamarina fa nisy tranga enina, mifandraika amin’ny lefakozatra amin’ilay karazany atao hoe : cVDPV1, teto Madagasikara. Ny iray tamin’ireo ankizy voamarina fa tratran’izany no namoy ny ainy. Araka ny tatitry ny PEV hatrany, dia mbola ilana ezaka ny fanatrarana ny tanjona amin’ny fandrakofana, eo amin’ny fanaovana vaksiny mahazatra (vaccination de routine). 82% izany taham-pandrakofana izany, ho an’ny VP1 ary 74% ho an’ny VPO3, raha toa ka 90% no tanjona.
Hatao iray volana aorian’ny andiany voalohany ny andiany faharoa tamin’ity hetsika fanaovam-baksiny faobe any Atsimon’i Madagasikra ity. Ny andiany fahatelo kosa dia hampidirina ao anatin’ny hetsika fanaovam-baksiny fanaraha-maso ny kitrotro, izay hotontosaina amin’io volana oktobra 2026 ho avy io.




