Karazam-bary vaovao « Besalohy » : vokatra betsaka kokoa, mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro
Mamokatra kokoa ary afaka mifanaraka amin’ny toe-tany sy toetr’andro samihafa. Izany no anisan’ny mampiavaka ny karazam-bary vaovao « Besalohy », izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teto Antananarivo androany 1 septambra 2026. Vokatry ny fikarohana nataon’ireo teknisianina ao amin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA), niaraka tamin’ny JIRCAS, nandritra ny dimy taona, ity karazam-bary ity.
Fiaraha-miasa japoney sy malagasy
Efa nanaovana andrana, nandritra ny taom-pambolena roa tany amin’ny Faritra samihafa eto Madagasikara, ny Besalohy. Araka ny voka-pikarohana, 6% hatramin’ny 8% ny fitomboan’ny voka-bary azo aminy raha oharina amin’ny karazam-bary mahazatra. Manodidina ny telo volana kosa ny tsingerim-piainany ary afaka mamokatra 4 hatramin’ny 5 taonina fanampiny, isaky ny hektara.
Azo avy amin’ny karazam-bary X265 ny Besalohy. Efa fantatra amin’ny faharetany sy ny fahafahany mifanaraka amin’ny toe-tany sy toetr’andro samihafa io karazam-bary iray io. Nampidirina tao aminy ihany koa ny fototarazo MP3, fanafohezana ny hoe « more panicles 3 », izay mikendry ny hampitombo ny isan’ny taho sy ny salohim-bary, indrindra amin’ny tany tsy dia mamokatra firy. Araka ny fanazavana, masomboly nahitana vokatra tsara tany Japana no natambatra tamin’ny masomboly malagasy, ka nahafahana nahazo ity karazany vaovao ity. Nifototra tamin’ny filàn’ny fambolena sy ny toetr’andro eto Madagasikara ny fikarohana.
Haparitaka amin’ny tantsaha
Nahafeno ny fepetra momba ny Fahasamihafana, Fitoviana ary Fahamarinan-toerana (DHS) ny Besalohy, ka nahazo ny fanamarinana ofisialy ahafahana mampiasa azy. Tsy OGM ihany koa ity karazam-bary ity, ary efa nandalo fitsirihana sy dingana maro nandritra ny fikarohana. Ho an’ny FOFIFA dia porofo iray amin’ny fahafahan’ny fikarohana ara-pambolena eto an-toerana mamokatra vahaolana azo ampiharina mivantana eny an-tsaha ny Besalohy.
Taorian’ny fampahafantarana ofisialy androany dia hirosoana ny dingana manaraka, dia ny fanapariahana ny masomboly izany. Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, dia ireo tantsaha mpamokatra masomboly aloha no hahazo izany, ary haparitaka amin’ireo mpamboly hafa avy eo. Vinavinaina hanomboka amin’ny taom-pambolena 2027–2028 ny fanapariahana ny masomboly Besalohy amin’ireo mpamokatra.
Notsindrian’ny minisitra ihany koa fa mihoatra noho ny vokatra azo amin’ny Makalioka ny vokatra azo amin’ny Besalohy, ary nankasitrahan’ireo Malagasy efa nanandrana azy ny tsirony. Tsy vary safiotra (hybride) izy, ka azo ampiasaina ihany koa ny vokatra azo avy aminy, ho masomboly amin’ny fambolena manaraka.
Hamafisina ny fikarohana
Nandritra ny lanonana, nanamafy ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa tokony hahazo fanohanana bebe kokoa ny fikarohana ampiharina (recherche appliquée). Anisan’ny olana notanisainy ny fiankinan’i Madagasikara amin’ny vary hafarana, izay misy fiantraikany amin’ny tsena sy ny vidin’ny vary vokarin’ny tantsaha eto an-toerana.
Efa namokatra karazam-bary hafa ihany koa moa ny FOFIFA, toy ny « Tsemaka », izay voalaza fa afaka mamokatra hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara ary efa naparitaka tany Alaotra. Nambaran’ny praiminisitra, noho izany, fa tokony hamafisina ihany koa ny fiarovana ny fizakà-manana ara-tsaina amin’ny voka-pikarohana. Kasain’ny Fanjakana ny hanatsara ny lafiny araka ny lalàna sy ara-bola, momba ny fahazoana « brevet », mba hanamora ny fiarovana ny voka-pikarohan’ireo teknisianina.
Ny fanamby manaraka dia ny hahatonga ity voka-pikarohana ity ho masomboly azon’ny tantsaha ampiasaina, ka hanampy amin’ny fampitomboana ny famokarana vary sy ny fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara.




