Fitaterana : Tsy maintsy mifindra eny Amoronakona, ao anatin’ny 15 andro, ireo mpitatitra eny amin’ny Fasan’ny Karàna
Tsy maintsy mifindra eny amin’ny Gara Fisandratana Amoronakona daholo ireo mpitatitra mbola miasa eny amin’ny Fasan’ny Karàna. 15 andro no fe-potoana nomen’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro hifindran’izy ireo. Nampahafantarina ireo mpitatitra androany 31 aogositra 2026, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny Fitaterana, izany fanapahan-kevitra izany.
Tsy maintsy afindra ny fiantsonana
Nilaza ny ministera fa ilain’ny tompon’ny tany ny toerana misy ny fiantsonan’ireo taksibrosy eny amin’ny Fasan’ny Karàna. Noho izany, tsy maintsy afindra eny Amoronakona ireo mpitatitra. Hiara-hiasa amin’ireo kaoperativa ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-Tanety (ATT) amin’ny fandaminana ireo lafiny teknika momba ny fifindrana. Mbola hisy, araka izany, ny fihaonana manokana, eo amin’ny ATT sy ireo mpitatitra, amin’ny alarobia ho avy izao handinihana ny pitsopitsony momba izany.
Hentitra ny fepetra, aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana 15 andro nomen’ny ministera. Ny « quitus » avy eny Amoronakona ihany no ekena ho ara-dalàna, ka izay mbola miasa amin’ny toerana hafa dia hoheverina ho manao fitaterana tsy ara-dalàna na « clandestin ». Hihatra amin’ireo heverina fa minia mandika ny lalàna ny sazy.
Olana ny fahalavirana
Raha tsiahivina, efa nanomboka tamin’ny 23 jona 2026 no nisy ny fiaingan’ny fiara fitateram-bahoaka teny amin’ny Gara Fisandratana Amoronakona. Efa 15 taona mahery, talohan’izany, no nahavitan’ity fotodrafitrasa ity, saingy tsy mbola nampiasaina mihitsy. Ireo taksibrosy mihazo ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-7 no tena kendrena ity toby fiantsonan’ny taksibrosy eny Amoronakona ity.
Na izany aza, mbola misy kaoperativa, mpamily ary mpiasa eny amin’ny Fasan’ny Karàna tsy manaiky hifindra, raha ny fanehoan-kevitra efa nandeha, taorian’ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra. Araka ny fanehoan-kevitr’ireo mpitatitra dia ny mpandeha no tena tsy mankasitraka ity fifindrana ity noho ny fahalaviran’ny Gara Fisandratana. Nilaza anefa ny avy eo anivon’ny ministera, fa efa hisy zotra hisokatra manodidina an’Amoronakona, ho fanamorana ny fivezivezen’ny mpandeha. Nambaran’ny minisitra, Andrianavalona Ramanambola Herizo ihany koa, fa efa nampitomboina ny ora fivezivezen’ny « Train Urbain ».




