Madagasikara : Mbola mety hiovaova ny toetrandro manerana ny Nosy amin’ity volana septambra ity
Vinavinan’ny toetrandro. Mbola mety hiovaova ny toetrandro eto Madagasikara mandritra ny volana Septambra. Mifarana tsikelikely ny vanim-potoan’ny ririnina ka mety mbola hifandimby ny andro mangatsiaka sy ny fotoana mafana, araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro.
Hiovaova tanteraka ny toetrandro
Mbola vanim-potoan’ny ririnina ny volana aogositra kanefa hiditra tsikelikely amin’ny lohataona i Madagasikara. Nanomboka ny zoma lasa teo, dia tsikaritra indray ny fiverenan’ny hatsiaka mamirifiry rehefa avy nafana, indrindra teto afovoan-tany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy. Ny orana malefaka any amin’ny morontsiraka atsinanana moa efa nisy foana, raha toa ka nisy fotoana nanjombona na nisy zavona sy erikerika madinika teto afovoan-tany.
Tsikaritra ihany koa ny fidinan’ny maripana nanomboka ny zoma. Teto Analamanga, nahatratra 18 °C ny maripana ambony indrindra, raha nidina hatramin’ny 15 °C tao Fianarantsoa izany, hoy hatrany ny fanazavana.
Mety hiova anefa izany toetrandro izany mandritra ny andro vitsivitsy ho avy. « Mbola mety hiovaova ny toetrandro amin’ity volana Septambra ity », hoy i Lahatra Mampionona. Araka izany, mety hifandimby ny andro mangatsiaka sy ny vanim-potoana tena mafana, indrindra rehefa manakaiky ny vanim-potoana manasara-taona.
Hiakatra tsikelikely ny maripana
Ho an’ity herinandro ity, dia tokony hihena tsikelikely manomboka ny talata ka hatramin’ny faran’ny herinandro ny varatraza. Mety ho maina kokoa ny toetrandro amin’ny ankamaroan’ny faritra eto amin’ny Nosy. Toetrandro maina amin’ny ankapobeny no vinavinaina indrindra ny asabotsy na alahady. Tokony hiakatra tsikelikely ihany koa ny maripana mandra-pahatongan’ny faran’ny herinandro, indrindra amin’ny afovoan-tany sy atsinanan’ny Nosy. Tsy midika anefa izany fa efa tonga tanteraka ny vanim-potoana mafana.
Mety hiseho manomboka amin’ny tapaky ny volana Septambra ka hatramin’ny volana Oktobra na Novambra ny vanim-potoana manasara-taona, hoy ny fanazavana. Mandritra izany fotoana izany, mety hiova matetika isan’andro ny toetry ny andro.
Araka ny vinavinan’ny toetrandro dia matetika eo anelanelan’ny Novambra sy Martsa ny vanim-potoana mafana sy mando. Noho izany, mety mbola hanamarika ny volana Septambra ny fifandimbiasan’ny andro mangatsiaka sy mafana.




