• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fitsarana
Image
Vaovao

Ambohimanga Rova : Maty voatifitra ireo efa-dahy voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Haingotiana sy Stéphanie

30/08/2026 08:25 © Moov.Mg

Nifarana tamin’ny fahafatesan’ireo efa-dahy voarohirohy ho namono an’i Haingotiana sy Stéphanie ny famotorana momba ilay raharaha nahatsiravina teny Manjakaray. Voatifitry ny mpitandro ny filaminana izy ireo, omaly, teny Ambohimanga Rova, rehefa nikasa hitsoaka nandritra ny famerenana ny tranga.

Fandrobana sy herisetra

Tovolahy efa-dahy no voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanendahana, fanolanana faobe ary famonoana ireo tovovavy roa nipetraka teny Manjakaray, araka ny tatitra nataon'ny mpitandro filaminana niaraka tamin'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, omaly 29 aogositra 2026. Araka ny fanazavana dia ny zoma 21 aogositra no nitrangan’ny herisetra, raha ny alahady 23 aogositra kosa no nahitana ny razana, teny Ambohimanga Rova.

Araka ny fanazavan’ny commissaire principal, Randriamaro Joachin, misahana ny serasera eo anivon'ny Polisim-pirenena, dia halatra sy fanolanana no niaingan’ny raharaha, izay niafara tamin’ny famonoana. Nandritra ny famotorana dia samy niaiky ny heloka vitany ireo efa-dahy.

Porofo maro

Voasambotra voalohany, ny talata 25 aogositra, ilay lehilahy nitondra ny fiara nampiasain’ireo voarohirohy. Nitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ka voasambotra tsikelikely ireo telo lahy hafa.

Marobe, hoy ny mpitandro ny filaminana, ireo porofo mivaingana tratra tamin'ity raharaha ity. Anisan’izany ny horonan-tsary mirakitra ny herisetra ary ny fitafiana nampiasain’ireo voarohirohy, izay mbola hita tao anatin’ilay fiara ary mbola nihoson-dra na dia efa nezahana nodiovina aza.

Fandosirana niafara tamin’ny tifitra

Natao omaly sabotsy maraina, teny Ambohimanga Rova, ny « reconstitution » na famerenana ny fizotry ny heloka. Nandritra izany anefa, hoy ny fanazavana, no nanohitra tampoka ny iray tamin’ireo voarohirohy ka naka an-keriny ny basy teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Nanararaotra nanohitra sy nandositra ihany koa ireo telo lahy hafa. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ny mpitandro ny filaminana, araka ny tatitra, ka maty voatifitra teo no ho eo ireo efa-dahy.

Ny sampana misahana ny fikarohana ny heloka bevava sakelika faharoa moa no nitarika ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, fa nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny Zandarimariam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires