• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Ministeran'ny Fitsarana : Mpitsara 3 eo anivon'ny PAC sy mpandraharahan’ny fonja 15, niharan'ny sazy

28/08/2026 08:35 © Moov.Mg

Mpitsara miisa telo eo anivon’ny Fampanoavana ao amin’ny Tendrom-pitsarana Miady amin’ny Kolikoly (PAC) Antananarivo sy mpandraharahan’ny fonja miisa 15 ao Imerintsiatosika no niharan’ny fepetra ara-pifehezana, noho ny tsy fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny andraikitra nankinina taminy. Nambaran’ny minisiteran’ny Fitsarana fa ampiharina amin'ireo rehetra tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana, tsy misy an-kanavaka, ny lalàna.

Mpitsara telo naato tamin'ny asany

Mpitsara miisa telo, miasa eo anivon’ny Fampanoavana ao amin’ny PAC Antananarivo no naato tamin’ny asany. Fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny CSE (Comité de suivi évaluation des pôles anti-corruption) izany, taorian’ny fitsirihana sy ny fandinihana nataon’ny Birao misahana ny fitsirihana ny Fitsarana (BCCJ), ary ny fakana ny hevitry ny lehiben’ny Fitsarana Tampony.

Araka ny fanazavana nentin'ny ministeran'ny Fitsarana, ny tsy fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny andraikitra, ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman’andraikitra takian’ny asa no anton’ny fampiatoana.

Mpandraharahan’ny fonja 15, voasazy

Taorian’ny trangana fandosirana niseho tao amin’ny Fonja Misy Fiarovana Manokana ao Imerintsiatosika, tamin'ny 7 aogositra 2026 lasa teo, dia nisy fepetra noraisina tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja miisa 15 voakasika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny fitaleavana misahana ny fitsirihana ny fonja (DIP), dia nahitana tandrevaka teo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nankinina tamin’izy ireo.

Namafisin’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa ireo fepetra noraisina ireo dia araka ny lalàna sy ny dingana ara-pitantanana manan-kery, ho fiarovana ny fahamendrehana sy ny fahitsiana eo anivon’ny minisitera. «Tsy misy ambonin’ny lalàna. Tsy misy afa-miala amin’ny andraikitra», hoy ny fanambarana.

Lire la suite

Articles Similaires