Fikaonandoham-pirenena : hotanterahina amin’ny volana martsa 2027 ny dinika nasionaly
Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny tetiandro sy ny rafitra hitantana ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM. Hiainga eny ifotony ny fifampidinihana ary hifarana amin’ny dinika nasionaly kasaina hatao amin’ny volana martsa 2027.
Hiainga eny ifotony ny fifampidinihana
Nampahafantarina omaly, 25 Aogositra 2026, teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny tetiandro hitondrana ny fikaonandoham-pirenena. Nialohavan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ireo filohan’ny fiangonana efatra mandrafitra ny FFKM izany. Nandritra izany ihany koa no nampahafantarana ny mpandrindra nasionaly, ny foiben-toerana ary ireo rafitra hiantsoroka ny fikaonandoha.
Araka ny tetiandro, manomboka androany 26 ka hatramin’ny 28 aogositra 2026 no hanaovana ny fampiofanana ireo mpampiofana isan-tsehatra. Ny 30 aogositra kosa dia hisy fotoam-bavaka hitondrana ny fikaonandoham-pirenena. Manomboka ny 1 ka hatramin’ny 11 septambra no hanaovana ny fampahafantarana eny anivon’ny distrika, kaominina ary fokontany.
Ny 14 septambra 2026 no hanombohan’ny dinika eny ifotony. Hotanterahina ny 5 oktobra ny dinika kaominaly, ny 26 oktobra ny dinika eny anivon’ny distrika, ny 16 novambra ny dinika eny anivon’ny faritra. Ny dinika any amin’ny am-pielezana kosa dia hotanterahina manomboka ny 14 septambra ka hatramin’ny 16 novambra 2026.
Martsa 2027 ny dinika nasionaly
Ny dingana farany amin’ity fizotran'ny Fikaonandoham-pirenena ity dia ny dinika nasionaly, izay kasaina hotanterahina amin’ny volana martsa 2027. Ny volana mey 2027 kosa no vinavinaina hanatanterahana ny tatitra farany.
Namafisina, nandritra ny fotoana teny Andohatapenaka omaly, fa ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy tsy an-kanavaka no fototry ny fikaonandoham-pirenena. Kendrena amin’izany ny hanangonana ny hevitra sy ny soso-kevitra avy amin’ny olom-pirenena avy amin’ny sehatra samihafa, mba hahafahana manoritra ny lalana hitondrana ny firenena mankany amin’ny fanavaozana.
Rafitra hitantana ny fikaonandoha
Nampahafantarina omaly ihany koa ireo rafitra hiantsoroka ny fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’izany ireo filohan’ny fiangonana efatra mandrafitra ny FFKM, ny Tonia FFKM misahana ny fikaonandoham-pirenena, ny Filàn-kevi-pitantanana, ireo mpandrindra nasionaly tarihin’ny FFKM ary ny vondrona mpanolotsaina miisa 16. Anisan’ireo voatendry ao amin’ny Filàn-kevi-pitantanana ny Praiminisitra lefitra teo aloha, Ramandimbiarison Zaza, sy ny mpahay toekarena sady mpamakafaka politika, Zafimahova Serge.
Tonga nanatrika ity fotoana teny Andohatapenaka ity moa ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Kolonely Rampanarivo Thierry, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny minisitra misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra, ary ireo mpikambana sasantsasany eo anivon’ny Governemanta.
Fifampidinihana ho amin’ny fanavaozana
Notsindriana tao anatin’ny toriteny, izay niainga tamin’ny bokin’Isaia 43:18-20, fa misy lalana vaovao soritan’Andriamanitra ary tsy tokony havela hanakana ny asa atao ankehitriny ny lasa. Ny Malagasy, araka izany, dia antsoina hibanjina ny fanantenana vaovao sy hiomana amin’ny ho avy. Nandritra ny kabariny kosa, ny Kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, dia nanamafy fa tsy maintsy miara-mientana ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy. Nambarany fa ny tombontsoan’ny Firenenena sy ny vahoaka no tokony hokatsahina, ka tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ny olom-pirenena.
Nazavainy ihany koa fa azo ampifandraisina ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fakan-kevitra politika efa natomboky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Michaël Randrianirina, ho fanampiana ny FFKM. Nambarany, ankoatra izay, fa azo ampifanarahana ihany koa ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fitantanana ny fifidianana. Namafisiny fa tsy fanoloana olona na fanovana fitondrana fotsiny no atao hoe : fanavaozana, fa fanovana fomba fiasa sy fanatsarana ny rafitra, ary indrindra, fanovana toe-tsaina,mba hahafahana mametraka lalana maharitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.




