• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midsp
Image
Vaovao

Fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena : Volavolan-dalàna miisa fito no hodinihina

25/08/2026 15:48 © Moov.Mg

Nosokafana teny Tsimbazaza, androany talata 25 aogositra, ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena amin’ity taona 2026 ity. Volavolan-dalàna miisa fito no hodinihina, araka ny lahadinika. Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, fa hatao ao anaty mangarahara ny fivoriana ary ho azon’ny rehetra harahina.

Lalàna fito no ao anaty lahadinika

Tsy hihoatra ny 12 andro ny faharetan’ny ity fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena ity. Araka ny Didim-panjakana mamaritra ny fandaharam-potoana dia volavolan-dalàna fito no hodinihina sy holaniana. Anisan’izany ny fanomezan-dalana hankatoavana fifanarahana fameno momba ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola hamokarana eo anivon’ny SADC. Hodinihina ihany koa ny volavolan-dalàna mifehy ny kilalao ara-bola sy ireo orinasa mampilalao.

Ankoatra izay dia tafiditra ao anaty lahadinika ihany koa ny fandinihana ny volavolan-dalàna manova sy mameno ny Sata ankapoben’ny Miaramila, ny lalàna momba ny fampiasana azo antoka sy voaaro ny teknolojia nokleary, ny lalàna mikasika ny serasera elektronika sy ireo fotodrafitrasa nomerika. Eo ihany koa ny fanavaozana tanteraka ny lalàna momba ny ady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka, ary ny fanomezan-dalana hankatoavana ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana iadiana amin’ny fandikan-dalàna an’habaka, fantatra amin’ny anarana hoe « Fifanarahan’i Hanoï », nosoniavina tany Vietnam tamin’ny 25 oktobra 2025.

Fivoriana azon’ny rehetra arahina

Notsindrian’i Siteny Randrianasoloniaiko fa ny tombontsoa ambony ho fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy no tokony hitarika ny asa hataon’ireo solombavambahoaka. Nomarihiny manokana fa hatao anaty mangarahara ny fivoriana, ka azon’ny rehetra harahina ny fizotry ny adihevitra sy ny fanapahan-kevitra raisin’ny Antenimierampirenena.

Nandritra ny lanonana fanokafana ihany koa no niarahabana sy nametrahana ny samboady ho an’ny Solombavambahoaka vaovao voafidy ao amin’ny Distrikan’i Benenitra, Radimbisolondrainy Severin Hervet. Izy no misolo an-dRazafindramasy Faralahy Célestin, izay voafidy ho mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-bahoaka

Etsy an-daniny, nampahatsiahy ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa efa miasa ireo vaomiera mpanao fanadihadiana momba ny JIRAMA sy ny fitantanam-bolam-panjakana nandritra ny fitondrana teo aloha. Nomarihiny anefa fa tsy valifaty politika no anton’izany, fa andraikitra raisin’ny Antenimierampirenena amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-bahoaka.

Efa nisy rahateo ny fihaonan’ny vaomiera parlemantera mpanao fanadihadiana momba ny JIRAMA tamin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa misahana ny fikirakirana vola amin’ny finday (Mobile Money) sy ny JIRAMA. Anisan’ny noresahina ny olana amin’ny fandoavana faktiora amin’ny alalan’ny « Mobile Money », ka voalaza fa hisy ny fanatsarana ny fomba fiasa mba hampihenana ny fitarainan’ny mpanjifa.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny valanaretina

Nandritra ny lahateniny, niantso ny governemanta ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena hanamafy ny fandriam-pahalemana, hifehy ny fiakaran’ny vidim-piainana ary handray fepetra hisorohana ny fidiran’ny valan’aretina Ebola eto Madagasikara.

Ankoatra izay, namerina nanentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ihany koa i Siteny Randrianasoloniaiko, manoloana ny fifidianana kasaina hotanterahina manomboka ny volana jolay 2027. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana teny Tsimbazaza moa ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana.

Lire la suite

Articles Similaires