Fambolem-bary : Milina fanetsana miisa 360 hampitaovana ireo tantsaha amin’ny faritra telo ao Fianarantsoa
Hahazo milina fanetsana vary an-tanana miisa 360 ireo mpamboly vary any amin’ny Faritra telo ao Fianarantsoa. Ho ampiasaina amin’ny taom-pambolena ho avy io ireto fitaovana ireto. Tafiditra ao anatin’ny Fandaharan’asa DEFIS ary vatsian’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (FIDA) izany fampitaovana izany.
Faritra telo hisitraka ireo milina
Tanjon’ny fampitaovana ny hampitombo ny vokatra sy hampihena ny hamafin’ny asa eny an-tanim-bary. Hizara amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Ihorombe ireo milina 360 ireo. Milina 150 no natokana ho an’i Matsiatra Ambony, 120 ho an’i Amoron’i Mania ary 90 ho an’ny Ihorombe.
Hanampy indrindra hanamora ny asa famindrana zana-bary eny an-tanim-bary ny fampiasana ireo milina fanetsana vary an-tanana ireo. Hisy fiantraikany manokana amin’ny fanalefahana ny asa ho an’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana mpamboly izany. Manampy amin’ny fampihenana ny fandaniana amin’ny asa ihany koa ny milina.
Araka ny voalazan’ny fandaharan’asa dia afaka manetsa vary hatramin’ny 25 ara isan’andro ny milina iray. Olona roa ihany dia afaka miasa amin’ny velaran-tany 10 ara, raha olona folo teo aloha no nilaina tamin’izany asa izany. Afaka mitsitsy fotoana sy mampihena ny vesatry ny asa ho an’ny mpamboly araka izany ny fampiasana ity teknolojia ity.
Fiofanana ho an'ny tantsaha
Nanomboka tamin’ny volana Jolay ny fampidirana ireo fitaovana, niaraka tamin’ny fanofanana ireo teknisiana sy mpikambana ao anatin’ny vondrona tantsaha. Milina miisa 18 no efa ampiasaina, ka enina isaky ny Faritra. Efa miasa ao amin’ny Kaominina Tsarasaotra, any Amoron’i Mania, ary ao Mahasoabe sy Alakamisy Ambohimaha, any Matsiatra Ambony, ireo fitaovana ireo. Nomarihina fa hitohy ny fampitaovana ireo mpamokatra mba hahafahan’izy ireo mampiasa ny milina amin’ny taom-pambolena ho avy.
Marihina moa fa fiaraha-miasa eo amin’ny Programme DEFIS, AFAFI ary ny Tranoben’ny Tantsaha eto Madagasikara (TTMR), miaraka amin’ny fanohanan’ireo teknisiana CGEAF ny fanatanterahana izany. Kendrena amin’izany ny fanomezana fitaovana mifanaraka amin’ny filàn’ny tantsaha sy ny zava-misy eny ifotony.




