Fahasalamana : Nahazo trano fandidiana vaovao hanakaikezana ny fitsaboana ny ao Belo sur Tsiribihina
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, 22 Aogositra 2026 ny trano fandidiana sy ny efitrano fandraisana ireo marary avy nodidiana ao amin’ny CHRD Belo sur Tsiribihina. Avy hatrany dia efa azo ampiasaina ireo fotodrafitrasa vaovao ireo. Natao indrindra hanatsarana ny fitsaboana ara-pandidiana sy hampihenana ny fahasahiranan’ny mponina ao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina.
Fotodrafitrasa vaovao efa vonona hampiasaina
Misy trano roa ao anatin’ity fotodrafitrasa ity, izay naorina mifanaraka amin’ny fenitra nasionaly momba ny hopitaly eto Madagasikara. Ny trano voalohany dia natokana ho an’ny fandidiana. Ahitana efitra valo ao anatiny, miaraka amin’ny toeram-pidiovana sy toerana fanadiovana ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fandidiana.
Ny trano faharoa kosa dia ahitana efitra roa sy fandriana miisa valo efa misy kidoro. Natokana handraisana ireo marary avy nodidiana izany, mba hahafahan’izy ireo manohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana aorian’ny fandidiana.
Nomarihina fa efa misy ihany koa ny herinaratra sy ny rano ilaina amin’ny fampandehanana ny fotodrafitrasa. Vonona avokoa ny fitaovana ara-pitsaboana, ary misy ihany koa ireo kojakoja ilaina, toy ny lamba firakotra, bodofotsy, servieta ary fitaovana fanadiovana.
Isan’ny zava-dehibe ihany koa dia efa voafaritra ny ekipan’ny mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra ny fampandehanana azy. Tarihin’ny Dr Ernest Raharison izany ekipa izany.
Hampihena ny fandefasana marary any ivelan’ny distrika
Ny fananganana ity trano fandidiana ity dia tokony hanamora ny fahazoan’ny mponina fitsaboana ara-pandidiana. Ireo tranga maika mila fandidiana dia azo raisina ao Belo sur Tsiribihina, ka hampihena ny fandefasana marary any amin’ny distrika hafa. Ity farany ity izay mandany vola kokoa ka mety hanahirana ireo tsy manana fahafahana amin’izany. Araka izany, tsy trano fotsiny no naorina tao Belo su Tsiribihina fa fanantenana ho an’ireo mponina eny an-toerana sy ny manodidina.
Notanterahina teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny lanonana fanokafana. Ny Tale-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Menabe moa no nisolo tena ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Nanatrika izany ihany koa ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga, ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ireo solontenan’ny mponina. Nankasitrahana manokana ny fandraisan’anjaran’ny fianakaviana Molou tamin’ny fanatanterahana ity fotodrafitrasa ity.




