Olan’ny « Boky rovitra » : hitondra ny traikefany i Torkia, ho fanampiana an’i Madagasikara
Olana goavan’ny fananan-tany eto Madagasikara ny fisian’ny « boky rovitra ». Eo anatrehan’izany, vonona hizara ny traikefany amin’ny fitantanana ny fananan-tany i Torkia, indrindra amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy simba na rovitra.
Traikefa ho entina mitady vahaolana
Nandray delegasionina avy any Torkia, notarihin’ny Masoivohon’i Torkia eto Madagasikara, Halime Ebru Demircan, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson René de Rolland, androany 17 aogositra 2026. Nifantoka tamin’ny fitantanana ny fananan-tany ny dinika, ka anisan’ny nodinihina manokana ny olana ateraky ny « boky rovitra ». Nandritra izany, nizara ny traikefany sy ny fomba fanao ampiasainy eo amin’ny sehatry ny fananan-tany i Torkia. Tanjona ny hahafahan’i Madagasikara mandinika ireo fomba fiasa mhomby sy mety hanampy amin’ny famahana ny olana sedrain’ireo tompon-tany.
Efa ela tokoa mantsy no niteraka fahasahiranana ho an’ny olom-pirenena ny antontan-taratasy momba ny fananan-tany simba na rovitra, izay efa zary nahazo anarana hoe : « boky rovitra » mihitsy. Mety hanasarotra ny fanamarinana ny fananana sy ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ilaina ity tranga iray ity.
Fanamafisana ny fiaraha-miasa
Efa nisy ireo dingana nataon’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny fitadiavana vahaolana momba ny boky rovitra. Tamin’ny volana novambra 2025, ohatra, dia efa nisy ny atrikasa lehibe niarahan’ny ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ny ministeran’ny Fitsarana ary ny ministeran’ny Fitantanam-bola nanatontosa. Ny tanjona tamin’izany dia ny hitadiavana vahaolana mazava sy hahafahana mampihatra haingana ny lalàna momba ny « boky rovitra ».
Mety hahafahana manokatra sy manitatra kokoa ireo hetsika hahafahana miady amin’ny « boky rovitra » ny fangalana traikefa avy amin’ireo firenena vahiny. Hisy ny delegasiônina avy any Torkia, andrasana ho avy eto Madagasikara ny 11 septambra 2026 izao. Izany dia mba hahafahana manamafy bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny sehatry ny fananan-tany.
Ho an’ireo mikasa hanavao ny « boky rovitra » moa dia tsara ny mahalala fa ilaina ny taratasy fangatahana fanamarinana, ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, ny taratasy manamarina ny faharovitan’ny boky ary ireo antontan-taratasy mifandraika amin’ilay tany. Maimaim-poana ny fikarakarana izany.




