• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aawsat
Image
Vaovao

Loza voajanahary : Mety hahatratra 425 000 ny Malagasy iharan’ny fiantraikan’ny El Niño eto Madagasikara

13/08/2026 16:24 © Moov

Olona manodidina ny 425 000 no mety hiharan’ny fiantraikan’ny tranga El Nino eto Madagasikara. Io vinavina io no noresahin’ny mpandrindra ny Rafitra ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Anthony Ngororano, nandritra ny fihaonany tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël, omaly.

Faritra 17 no mety ho voakasika

Araka ny antontanisa navoakan’ny Birao nasionaly misahana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) dia distrika 17 no heverina fa mety ho tratran’ny fiantraikan’ity trangan-javatra voajanahary amin’ity vanim-potoana ity. Ny 14 amin’ireo distrika ireo dia any amin’ny faritra Atsimo. Efa nanambara moa ny Organisation météorologique mondiale (OMM) fa ho mafimafy ny fiantraikan’ity El Niño ity, eo anelanelan’ny volana aogositra hatramin’ny oktobra eo. Mety haharitra hatramin’ny volana Novambra kosa ny tranga.
Mety hiteraka fahasimban’ny fambolena sy hampihena ny vokatra any amin’ireo faritra voakasika izany. Vokatr’izany, mety hisy fiantraikany amin’ny fahazoan’ny mponina sakafo sy ny fiveloman’izy ireo ihany koa. Raha izany vinavina rehetra izany dia Malagasy manodidina ny 425 000 no mety hila fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana ary ara-pahasalamana noho ny fiantraikan’io loza io.

Miomana amin’ny fiantraikan’ny El Niño

Manoloana izany toe-javatra izany moa dia nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta sy ny Rafitra ny Firenena Mikambana. Efa mandamina ny asa sy ny fitaovana enti-manatontosa izany miaraka amin’ny BNGRC ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Ahian’ny rehetra ny hiverenan’ny fiantraikan’ny El Nino, tamin’ny 20232024, izay nampitondra faisana ny faritra atsimo. Araka izany, ny tanjona dia ny hanamafisana mialoha ny fiomanana sy ny fandrindrana, indrindra any amin’ireo faritra heverina fa tena marefo.
Nanambara ny OMM fa efa tena ambony ny fepetra mety ahatongavan’ity loza ity ary saika hisy fiantraikany amin’ny firenena maro izany, indrindra aty Afrika. Hanohy hanara-maso io tranga io hatrany ny OMM mandritra ireo volana ho avy, mba hanampiana ireo firenena hanamafy sy hanatsara ny fiarovana ny mponina sy ny fomba fivelomany.

Lire la suite

Articles Similaires