• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtmm
Image
Vaovao

Fotoam-pialantsasatra 2026 : Hamafisin’ny ATT ny fanaraha-maso ho fiarovana ny mpandeha

11/08/2026 16:06 © Moov

Mitombo be ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara manerana an’i Madagasikara mandritra ny volana aogositra. Anisan’ny mahatonga izany ny fotoam-pialantsasatra sy ireo hetsika ara-pivavahana, ara-kolontsaina ary ara-panatanjahantena maro. Manoloana izany, manamafy ny fepetra fanaraha-maso sy fiarovana ny mpandeha ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-tanety (ATT).

Hamafisina ny fanaraha-maso eny amin’ny fiaingana

Manodidina ny 340 isan’andro ireo fiara mpitatitra miainga eny amin’ireo tobim-piantsonana lehibe eto Antananarivo. Maherin’ny 6 460 ny mpandeha entin’ireo fiara ireo. Ankoatra izany, misy ireo fiara manokana, ny fiara hofaina ary ireo « taxi-be » na « taxi-brousse » manana fahazoan-dalana manokana.
Ny RN7 no mbola tena be mpampiasa indrindra. Mahatratra 51,9 % ny ampahany amin’ireo mpandeha miainga eto an-drenivohitra ka mizotra amin’io lalam-pirenena io. Manodidina ny 2 200 ny mpandeha ary 100 ny fiara mandeha isan’andro mankany Ambatolampy, Faratsiho ary Antsirabe. Misy koa ireo manohy ny dia mankany Ambositra, Fianarantsoa ary Toliara.
Ny RN4 kosa dia ahitana 22,3 % amin’ny mpandeha, ka manodidina ny 1 440 ny olona sy 80 ny fiara mizotra any Mahajanga. Ny RN2 dia mitentina 13,9 %, raha 11,8 % kosa ny RN6.
Manoloana izao fitomboan’ny fivezivezena izao, hamafisin’ny ATT ny « contrôle au départ » na ny fanaraha-maso eo amin’ny fiaingana. Tsy mahazo miala ny tobim-piantsonana ny fiara raha tsy voamarina ny fahatomombanan’ny fiara, ny antontan-taratasy ary ny fahafahan’ny mpamily mitondra azy.

Hamafisina ny andraikitry ny mpitatitra

Ampahatsiahivin’ny avy ao amin’ny ATT ihany koa ny andraikitry ny koperativa, ny tompon’ny fiara ary ny mpamily. Tsy maintsy hajaina ny fepetra ara-teknika, ny isan’ny mpandeha azo raisina ary ny lanjan’ny entana azon’ny fiara entina.
Mitohy eny amin’ny lalam-pirenena ihany koa ny fanaraha-maso. Toerana iray isaky ny vavan’ny lalam-pirenena no ametrahan’ny ATT ny toeram-panaraha-maso. Hifantoka indrindra amin’ny RN7 sy RN4 izany, izay mitondra ny 74 % amin’ny fifamoivoizana.
Ankoatra izany, hisy « service de permanence » isaky ny sabotsy maraina handraisana ireo fangatahana fahazoan-dalana. Tanjona ny hampanara-dalàna mialoha ireo mpitatitra sy hisorohana ny fahatarana eny an-dalana.
Eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena. Efa voazara amin’ireo mpitandro filaminana ny fitaovana fitiliana ny tahan’ny alikaola na « éthylotest ». Noraisina moa ireo fepetra rehetra ireo mandritra izao fotoam-pialantsasatra izao, mba hahafahan’ny mpampiasa lalana rehetra mivezivezy am-pilaminana sy tonga soa aman-tsara any amin’ny toerana halehany.

Lire la suite

Articles Similaires