• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Nahatratra 20 kilometatra ny lalana efa vita tara amin’ny asa fanarenana ny RN4

04/08/2026 16:41 © Moov

Mitohy ny asa fanarenana ny Lalam-pirenena faha-4 (RN4) ao amin’ny Faritra Boeny. Tanterahin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ao anatin’ny Tetikasa PDDR (Projet de Développement Durable des Routes). Mahatratra 20 kilometatra ny lalana efa voarakotra tara eo amin’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Andranofasika sy Marosakoa.

Mandroso hatrany ny asa any an-toerana

Amin’izao fotoana izao dia mifantoka amin’ny ampahan-dalana Andranofasika (PK 451+000) – Ankarafantsika – Marosakoa (PK 473+000) ny asa fanarenana. Ny orinasa WEITEC, izay misahana ny fanatanterahana ny tetikasa, dia eo am-pamaranana ny fandrarahana tara amin’ity ampahan-dalana stratejika amin’ny RN4 ity.
Araka ny nambaran’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, dia efa 20 kilometatra eo ho eo ny lalana vita tara. Maneho ny fandrosoan’ny asa izany, izay mikendry ny hanatsara ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana entana amin’ity lalam-pirenena iray anisan’ny tena ampiasaina, mampitohy an’Antananarivo sy ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara ity.
Mitohy miaraka amin’izany ihany koa ny asa hafa ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Ao Berivotra, amin’izao dia mbola atao ny fandrarahana « tout-venant » na vatokely, izay mamorona fototra alohan’ny handrarahana tara. Efa tanterahina ihany koa ny asa fandrarahana ranona « goudron » amin’ireo fototra efa vita, ho fanomanana ny dingana manaraka amin’ny fanamboarana.

Lalana manan-danja ho an’ny fampandrosoana

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny RN4. Tanjona ny hanamora ny fivezivezen’ny mponina, hanatsara ny fitaterana entana ary hanamafy ny fifandraisana eo amin’ireo faritra lalovan’ity lalam-pirenena ity.
Isan’ny safidin’ny maro ihany koa i Mahajanga, rehefa fotoan’ny fialan-tsasatra toy izao, ka antony iray tena maha-zavadehibe ity fanamboarana ity. Rehefa vita moa ny asa dia antenaina fa hihena ny fotoana lany eny an-dalana sy ny saran’ny fitaterana, sady hanamora ny fivezivezen’ny vokatra ara-pambolena sy ny entana ara-barotra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires