Raharaham-pirenena : Nomena toerana hikarakarana ny dinika nasionaly ny FFKM
Dingana vaovao amin’ny fanomanana ny dinika nasionaly no vita. Araka ny fangatahan’ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) dia natolotry ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ho ampiasan’izy ireo, ny trano efatra ao amin’ny Village Voara Andohatapenaka.
Foibe hikarakarana ny dinika nasionaly
Hatao foibe hikarakarana sy handrindrana ny dinika nasionaly, izay heverina ho fototra hanomanana ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-5. Nitsidika ny toerana ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny raharahan-tany, ny Jeneraly Lylison René de Rolland, ka nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny lakilen’ireo trano ho an’ny FFKM. Marihina moa fa an’ny SEIMAD izay eo ambany fiahian’ity Minisitera ity, io toerana io. Nambarany fa toromarika avy amin’ny Filohan’ny Fanavaozana no nanatanterahana izany, mba hahafahan’ny FFKM manomboka ny asa fanomanana.
Naneho ny fankasitrahany ity fanomezana ity kosa ny Sekretera jeneralin’ny FFKM, ny Mpitandrina Vonjisoa Tahina Ranaivoarivelo. Nohazavainy fa efa nangataka toerana hiasana tamin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Filankevitra mba hanomanana sy handrindrana ny dinika nasionaly. Hatao biraon’ny FFKM moa ny ampahany amin’ireo trano, hisy efitrano fivoriana, ary hisy toerana natokana ho an’ireo lehiben’ny fiangonana.
Ny FFKM no hamolavola ny fandaharam-potoana
Araka ny fanazavan’ny fitondram-panjakana dia tsy tokony hisy sakana intsony ny fanombohan’ny dinika nasionaly, amin’izao efa misy ny foibe fiasana izao. Nambaran’ny Kolonely Michaël Randrianirina ihany koa fa tsy tokony ho olana ny famatsiam-bola satria harena anatiny no hampiasaina amin’ny fanatanterahana izany.
Raha tsiahivina dia tokony haharitra enim-bolana ny dinika nasionaly, ka nizara ho dingana efatra: fifampidinihana eny anivon’ny fokontany, kaominina sy distrika, faritra ary famaranana amin’ny fivoriambe nasionaly eto Antananarivo. Fanemorana fanintelony izao ho entin’ny FFKM izao ary tsy io fandaharam-potoana io intsony no harahina. Taorian’ny fihaonan’ny Fanjakana sy ny FFKM ny 3 jona lasa teo dia voalaza fa ny FFKM no tompon’andraikitra hamolavola ny tetiandro vaovao.
Ny vokatra hivoaka amin’izany no kasaina ho fototra amin’ny famolavolana ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-5, izay vinavinaina hatolotra hofidian’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny volana jona 2027.




