Ireo famantarana ahafantarana fa noana ny zaza menavava
Tsy ny fitomaniana ihany no fomba anehoan’ny zaza menavava hoe noana izy. Matetiza aza ny fitomaniana dia famantarana tara fa efa milasa sakafo ny zaza. Ny fahafantarana ireo mantarana voalohany dia manamy ny ray aman-dreny hamaly haingana ny filan’ny zaza, na ho an’ny mampinono na ny manome solon-dronono.
Ireo famantarana voalohany fa noana ny zaza
Ny zaza menavava dia mifandray amin’ny ray aman-dreniny amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny fihetsiky ny vatany. Ireto avy ireo famantarana voalohany maneho fa manomboka mila sakafo izy:
Mihetsiketsika sy miendratrendratra kokoa izy
Rehefa noana ny zaza dia mety ho lasa mavitrika kokoa: manetsiketsika ny tanany sy ny tongony, manodina ny lohany, na mitady toerana ahazoany aina. Io no iray amin’ireo famantarana voalohany fa vonona hisakafo izy.
Manokatra vava ary mitady hitsentsitra izy
Matanjaka be ny fahazarana mitsentsitra eo amin’ny zaza vao teraka. Rehefa noana izy dia mety hanokatra vava imbetsaka; hamoaka lela; hanao fihetsika toy ny mitsentsitra amin’ny molotra; hampiditra ny tanany ao am-bava. Ireo fihetsika ireo dia mampiseho fa mitady zavatra hotsentsafina izy.
Manodina loha mitady nono na « biberon » izy
Misy « reflexe » voajanahary antsoina hoe « réflexe de fouissement » ny zaza menavava. Rehefa voakitika ny takolany na ny manodidina ny vavany dia mety hanodina loha sy hanokatra vava izy, satria mitady ny loharanon-tsakafo.
Ampidiriny ao am-bava ny tanany
Maro ny ray aman-dreny mihevitra fa rehefa mitsentsitra rantsantanana ny zaza dia mitady hampitony tena fotsiny ihany. Mety ho famantarana hanoanana ihany koa nefa izany, indrindra amin’ny zaza mbola kely.
Ireo famantarana tara fa noana ny zaza menavava
Raha tsy voamariky ny ray aman-dreny ireo famantarana voalohany fa noana ny zaza menavava dia mety hiseho ireo famantarana mazava kokoa:
-mitomany izy;
-tezitra na mila vaniny;
-mivaramena ny tavany;
-manetsiketsika mafy ny tanany sy ny tongony;
-sarotra aminy ny mandray nono na « biberon » satria efa tezitra loatra izy.
Amin’io fotoana io dia tsara raha ampitoniana kely aloha izy vao omena sakafo.
Ahoana no hanavahana ny hanoanana sy ny filàna hafa?
Tsy midika foana hoe noana ny zaza rehefa mitomany. Mety hitomany izy satria:
-mila soloina ny lambany na ny tatiny;
-mafana loatra na mangatsiaka loatra;
-reraka;
-mila trotroina na ampitoniana;
-misy tsy fahazoana aina amin’ny kibony (rivotra, fanaintainan’ny kibo).
Ny fandinihana ny fihetsiny rehetra no manampy hahafantarana izay tena ilainy.
Tokony hanaraka ora raikitra ve ny fanomezana sakafo ny zaza?
Amin’ny ankapobeny, tsara kokoa ny manaraka ny filàn’ny zaza (alimentation à la demande), indrindra amin’ireo volana voalohany. Samy manana ny gadony ny zaza: misy mitady sakafo matetika amin’ny fatrany kely, ary misy kosa misakafo betsaka fa mifanelanelana kokoa. Tsy tsara endrasana mitomany foana ny zaza vao omena sakafo.
Famantarana fa ampy sakafo ny zaza menavava
Rehefa voky ny zaza aorian’ny fampinonoana na fisotroana solon-dronono dia mety:
-ho tony sy ho malefaka ny vatany;
-hiala amin’ny nono na « biberon » izy;
-hanidy vava;
-hanodina loha hiala;
-hatory am-pitoniana.
Ny fitomboan’ny lanjany ara-dalàna, ny taty lamba lena matetika ary ny fahamailoan’ny zaza rehefa tsy misakafo dia famantarana fa ampy ny sakafony.




