• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tetikasa « Ranomasina Madio sy Salama » : Olona miisa 56 000 no hisitraka mivantana ny tombontsoa

01/08/2026 14:50 © Moov

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tao Toliara, omaly, 31 jolay, ny tetikasa « Ranomasina Madio sy Salama » (Océan Propre et Sain). Kendrena amin'izany ny hanatsara ny fari-piainan'ny olona 56 000 any amin'ny faritra Anosy sy Atsimo-Andrefana.

Olona 56 000 no ivon'ny tetikasa

Niara-nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ity tetikasa ity ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD).
Ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy amorontsiraka, dia natao indrindra hanatsarana ny fiainan'ny mponina ny tetikasa. Olona 56 000 no hisitraka mivantana ny tombontsoa amin'ny alalan'ny fanatsarana ny fidiram-bola, ny fanamafisana ny fahafahan'ny vondrom-piarahamonina miatrika ny fiovan'ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny toekarena maitso sy maharitra.
Any amin'ny faritra Anosy sy Atsimo-Andrefana no hanatanterahana ny tetikasa. Mitentina 11,6 tapitrisa dolara amerikana ny famatsiam-bola avy amin'ny Tahirim-bolan'ny Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana (GEF). Ny tanjona lehibe indrindra amin’ireo asa izay atao dia ny hampihenana ireo loto avy eny an-tanety izay manimba ny tontolo iainana an-dranomasina sy ireo faritra amorontsiraka.

Asa mivaingana hiarovana ny harena voajanahary

Anisan'ireo asa hotanterahina ny famoronana faritra arovana vaovao mirefy 3 000 hektara an-tanety sy ny fanamafisana ny fitantanana ireo faritra arovana efa misy.Etsy ankilany dia kasaina ihany koa ny hanangana sy hanatsara ny fitantanana faritra arovana an-dranomasina mirefy 4 000 hektara, ary hamerenana amin'ny laoniny, tontolo iainana simba sy ala mirefy 25 000 hektara.
Amin'ny alalan'ireo hetsika ireo dia mikendry ny hampifandanja ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana ny mponina ny tetikasa. Amin'ny alalan'ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny fampiroboroboana ny famatsiam-bola maitso dia antenaina hisy vahaolana ara-toekarena vaovao ho an'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka, sady hiantohana ny fiarovana maharitra ny harena voajanahary any atsimon'i Madagasikara. Araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra, ny fiarovana ny tontolo iainana dia anisan'ireo fototra lehibe hanatsarana maharitra ny fari-piainan'ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires