Lalana Ambohimahitsy–Ambatobe : Lalana mirefy 2,468 km nohavaozina hanatsarana ny fivezivezena eto Analamanga
Nahazo lalana vaovao sady malalaka ny mpampiasa ny lalana mampitohy an’i Ambohimahitsy sy Ambatobe. Mirefy 2,468 kilaometatra ity lalana nohavaozina sy nitarina ity, izay notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany. Novatsian’ny Tahirim-bola ho an’ny Lalana ny asa, ary mikendry ny hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny entana, hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary hanatsara ny fiarovana ny mpampiasa lalana eto amin’ny faritra Analamanga.
Hampihenana ny fitohanana
Mahakasika ny lalana mampitohy an’Ambatobe sy Soamanandrariny amin’ny alalan’i Ambohimahitsy ny fanarenana, miaraka amin’ny fanamboarana sampan-dalana vaovao ao Ambohimahitsy. Ny fitambaran’izany no manome io 2,468 kilaometatra, narenina sy nitarina, io. Ny asa rehetra dia natao mba hifanaraka amin’ny fitomboan’ny fivezivezena amin’iny faritra iray tena be mpampiasa eto an-dRenivohitra iny.
Anisan’ny asa vita ihany koa ny fanatsarana ny fihaonan-dalana ao Ambatobe, izay hanamora kokoa ny fidirana mankany amin’ny Rocade sy ny tetezana. Kendrena amin’izany ny hampandeha tsara kokoa ny fifamoivoizana, na ho an’ny fiaran’olon-tsotra na ho an’ny fitaterana entana, sady hampihena ny fitohanana sedrain’ny mpampiasa lalana isan’andro.
Fotodrafitrasa natao haharitra
Tsy ny fanavaozana ny arabe ihany no notanterahina. Namboarina ihany koa ireo fotodrafitrasa hiantohana ny faharetan’ny lalana, toy ny dalot, tatatra, caniveau, radier ary lalan-drano. Natsangana ihany koa ny rindrina fihazonana tany, gabiona ary vato lehibe mba hiarovana ny lalana amin’ny fikaohan’ny rano sy ny fahasimbana vokatry ny toetr’andro.
Natao tara araka ny fenitra ara-teknika ny arabe, ankoatra ireo rehetra ireo. Nitarina ho 5 ka hatramin’ny 5,50 metatra ny sakany amin’ny ankamaroan’ny lalana, raha 4,50 metatra kosa ny sakany amin’ilay sampan-dalana vaovao, ka antenaina fa hanatsara ny fifamoivoizana sy ny fivezivezen’ny mpampiasa azy izany.
Manamarika ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ity fotodrafitrasa ity ho an’ny vahoaka ny fitokanana androany. Ankoatra ny fanatsarana ny fitaterana sy ny fivezivezena andavanandro, antenaina ihany koa fa hanohana bebe kokoa ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fifanakalozana eto an-toerana ity lalana nohavaozina ity.




