• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Lohalaharana amin’ny fiarovana ny ala ny Polisinalan’ny vondrom-piarahamonina

31/07/2026 15:08 © Moov

Ankalazaina isaky ny 31 Jolay ny Andro maneran-tany ho an’ny Polisinala. Fotoana hanararaotana ny fanasongadinana azy ireo izany, ka isan’ny mandray anjara amin’izany ny WWF Madagasikara amin’ny fampahafantarana ny andraikitra lehibe sahanin’ireo Polisinalan’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony amin’ny fiarovana ny harena voajanahary.

Any Ranomay, Amoron’i Onilahy, ohatra dia efa hita taratra amin’ny fiverenan’ireo gidro sy ny fanatsarana ny fiarovana ny ala, ny vokatry ny ezaka ataon’izy ireo isan’andro.

Asa hafa mivaingana ankoatra ny fisafoana ny ala

Miainga isan’andro vao mangiran-dratsy, ireo Polisinala, hanao iraka ao Ranomay. Efa manana fitaovana arifomba, entiny isan’andro izy ireo, toy ny kitapo sy fitaovana GPS. Lavitra ny lalana haleha, ary mandany ora maro mba hiambina ny ala sy hiaro ny harena voajanahary. Ny tanjon’izy ireo dia ny mamantatra sy misoroka ny asa tsy ara-dalàna, miady amin’ny doro tanety ary manara-maso ireo biby sy zavamaniry ao anatin’ny iray amin’ireo faritra mbola manan-danja indrindra ao Mahafaly.
Araka izany, tsy mijanona amin’ny fisafoana ala ihany ny andraikitr’izy ireo, araka ny fampahafantarana avy amin’ny WWF Madagascar. Manentana sy mampahafantatra ny mponina momba ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ihany koa izy ireo, mampandre ireo tompon’andraikitra raha misy fandikan-dalàna, mandray anjara amin’ny famahana olana eny ifotony ary manara-maso ny fanatanterahana ny drafi-pitantanana iombonana. Miara-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana ihany koa izy ireo mba hampiharana ny fitsipika mifehy ny fiarovana ny ala. Araka izany, ireto Polisinalan’ny vondrom-piarahamonina ireto dia tena mpisehatra voalohany ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ezaka nahazoana vokatra mivaingana

Ho an’i Elahimanoro, Polisinala ao amin’ny vondrom-piarahamonina fototra ao Ranomay sady mpitsabo nentim-paharazana amin’ny zavamaniry dia lasa adidy masina ny fiarovana ny ala. « Taloha dia harena voajanahary fotsiny no fahitako ny ala. Ankehitriny kosa dia lova tsy maintsy ampitaina amin’ny taranaka izany », hoy izy.
Maneho ny fahombiazan’ity fomba fiasa iarahan’ny rehetra ity ny vokatra azo. Noho ny fisafoana tsy tapaka sy ny fiaraha-miasan’ny vondrom-piarahamonina sy ny WWF Madagascar dia nihena ny tsindry mianjady amin’ny ala. Hita ihany koa ny fitomboan’ny isan’ny maki (Lemur catta), izay niakatra avy amin’ny 5 isaky ny hektara tamin’ny 2022 ho 9,4 tamin’ny 2026. Toy izany koa ny sifaka (Propithecus verreauxi), izay nitombo avy amin’ny 5,1 ho 6,5 isaky ny hektara.
Nanamafy ny WWF Madagascar fa porofo mazava, izany rehetra izany, fa mahomby ny fiarovana ny harena voajanahary rehefa iarahan’ny vondrom-piarahamonina sy ny mpiara-miombon’antoka manatanteraka azy. Noho izany dia lasa rohy lehibe mampifandray ny fiarovana ny zavaboary sy ny fampandrosoana maharitra eny ifotony ireo Polisinala.

Lire la suite

Articles Similaires