Fanavaozana ny lisitry ny mpifidy : Efa-bolana handraisana anarana ireo Malagasy feno 18 taona
Natomboka androany ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy manerana an’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny lanonana notanterahina teny Talata Volonondry. Haharitra efa-bolana, izany, ka hatramin’ny 25 novambra 2026.
Fotoana lava hanamorana ny fisoratana anarana
Tetikasa goavana ity karakarain’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), ity. Mitentina 34 miliara ariary no natokan’izy ireo hanatanterahana izany, manerana ny Nosy.
Ny tanjon’ity fanavaozana ity moa raha ny fanazavana dia ny hanadiovana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, izay efa nahazo tsikera imbetsaka nandritra ireo fifidianana lasa. Antenaina fa hahafahana mamokatra lisitra marina sy azo itokisana kokoa izy io, ka ho isan’ireo mari-pandrefesana voalohany amin’ny fahombiazan’ny CENI vaovao, taorian’ny fanavaozana tanteraka ny mpikambana mandrafitra azy.
Ny anton’io fotoana lavalava io dia ny mba hahafahan’ireo olom-pirenena rehetra, indrindra ireo vao feno 18 taona, misoratra anarana. Fepetra ilaina, mba hahafahana misoratra, ankoatra ny fahafenoan’ny taona dia ny fananana karapanondrom-pirenena, ny fizakana ny zom-pirenena malagasy, ny mbola tsy nisaziana ary ny fipetrahana eo amin’ny fokontany izay hisoratana anarana.
Fomba dimy hahafahana manatanteraka izany
Mampihatra fomba dimy samihafa ny CENI, hahafahan’ny olona misoratra anarana. Tanjon’izany ny hahazoana mpifidy betsaka voasoratra ao anaty lisitra. Anisan’izany ny fitsidihana isan-tokantrano, toy izay nahazatra teo aloha. Manampy izany ihany koa ny fanatonana eny anivon’ny Biraom-pokontany, na eny amin’ireo Ambohimpihaonana na amin’ny alalan’ny fangatahana izay atao an’habaka ary eny anivon’ny boriboritany ho an'ireo vao nahazo karapanondrom# pirenena.
Nanamarika ny Filohan’ny CENI, Rakotonarivo Thierry, fa ny 9 janoary no ho faranana vonjimaika io lisitra io. Hanam-potoana kosa ireo izay nisoratra mba hanamarina ny lisitra, aorian’izay. Zava-baovao iray amin’ity fanavaozana ity koa ny fampandraisana anjara ny fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny ekipan’ny mpanisa. Namporisihina ihany koa ireo antoko politika hanendry solontenany hanara-maso ny fizotry ny asa, mba hampitombo ny mangarahara sy ny fitokisan’ny rehetra.
Araka ny vinavinan’ny CENI dia mikendry ny hanana mpifidy 13 ka hatramin’ny 14 tapitrisa voasoratra anarana ity fanavaozana ity. Io lisitra vaovao io araka izany no ho ampiasaina amin’ny fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka, amin’ny taona 2027, hoy hatrany ny Filohan’ny CENI. Ny fahavitan’ity dingana amim-pahombiazana dia heverina ho fototra iray hanomanana fifidianana mangarahara sy azo antoka eto Madagasikara.




