• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pnlpm
Image
Vaovao

Ady amin'ny tazomoka : Hisitraka lay misy odimoka avokoa ny distrika 110 manerana ny Nosy

27/07/2026 16:33 © Moov

Ho fanamafisana ny ady amin'ny tazomoka, distrika miisa 110 manerana ireo faritra 23 eto Madagasikara no hisitraka ny fizarana mitohy ireo lay misy odimoka voatondraka fanafody maharitra (MID), izay natao indrindra hiarovana ireo sokajin'olona marefo.

Hamafisina ny fizarana any amin'ireo faritra tena ahitana tazomoka

Mitohy ny ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fisorohana ny tazomoka amin'ny alalan'ny fanatanterahana ny fizarana mitohy ireo Lay Misy Odimoka voatondraka fanafody maharitra (MID). Ho fanomanana izany dia notanterahina ny fiofanana sy fanamafisana ny fahaizan'ireo mpiantsehatra, ka nandray anjara tamin'izany ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, ireo Médecins Inspecteurs, ireo tompon'andraikitry ny fandaharanasa miady amin'ny tazomoka isam-paritra sy isam-paritra madinika, ary ny ekipa EMAR sy EMAD.
Distrika 110, izay ahitana tranga tazomoka mbola betsaka, miparitaka manerana ireo faritra 23 eto Madagasikara no hisitraka ity fizarana mitohy ity. Amin'izy ireo dia distrika 63 ao anatin'ny faritra 12 no tohanan'ny Governemanta amerikanina ara-bola sy ara-teknika amin'ny alalan'ny tetikasa PMI Evolve sy GHSC PSM. Anisan'ireo faritra voakasik'izany i Sofia, Boeny, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Haute Matsiatra, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana ary Anosy.

Vehivavy bevohoka sy ankizy madinika no laharam-pahamehana

Ireo lay misy odimoka dia hozaraina maimaim-poana eny anivon'ny tobim-pahasalamana, ka ireo sokajin'olona marefo no hisitraka izany voalohany. Tafiditra ao anatin'izany ny vehivavy bevohoka tonga manao fizaham-pahasalamana voalohany, ny zaza vita vaksiny VAR2 ary ny zaza latsaky ny dimy taona manatona tobim-pahasalamana noho ny tazomoka.
Tokana moa ny tanjona amin’ity paikady ity, izay mikendry ny hampihena ny tahan'ny tazomoka sy hiaro bebe kokoa ireo vondron'olona marefo. Entanina hatrany moa ireo olona voakasika mba hanatona tobim-pahasalamana haka ny lay misy odimoka ary hampiasa izany araka ny tokony ho izy isan'alina.
Marihina fa ity fizarana MID ity, miaraka amin’ireo fepetra hafa fisorohana sy fitsaboana dia hanamafisana ny ady amin'ny tazomoka manerana ny Nosy, mba hiarovana ny fahasalaman'ny mponina, indrindra ireo tena marefo.

Lire la suite

Articles Similaires