Ala honko : Sady miaro ny morontsiraka no antoky ny velon-tena maharitry ny mponina
Nankalazaina omaly 26 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ny rohivoahary ala honko. Ho an'i Madagasikara, izay nosy miankina betsaka amin'ny jono sy ny harena an-dranomasina, dia tsy hazo maniry amoron-tsiraka fotsiny ny honko. Miaro ny morontsiraka amin'ny rivo-doza sy ny fiakaran'ny ranomasina izy, fonenan'ny karazan-javamananaina maro ary isan'ireo rohivoahary mahavita mitahiry karibônina betsaka indrindra. Mitondra voka-tsoa mivantana amin'ny fiainan'ny mponina ihany koa anefa ny fikajiana azy.
Fanarenana honko, miankina amin’ny zava-misy
Nandritra ny taona maro dia nifantoka tamin'ny fanatsatohana zanakazo ny ampahany betsaka amin’ny ezaka fanarenana ala honko. Mihamivoatra anefa ny fomba fijery ankehitriny. Araka ny fanazavan'ireo manam-pahaizana, tsy haharitra ny fanarenana raha tsy fantarina aloha ny antony nahatonga ny fahasimban'ny ala. Anisan'izany ny fiovan'ny fikorianan'ny rano, ny fitrandrahana tafahoatra ny harena voajanahary, ny fiovann’ny toetry ny tany na koa ny tsindry ateraky ny asan'olombelona. Rehefa voadinika ireo antony ireo vao faritana ny vahaolana mety indrindra : fanarenana ny lalan'ny rano, na fampihenana ny tsindry manimba, na fanohanana ny fiverenan'ny honko ho azy... Ny fambolen-kazo kosa dia atao rehefa tena ilaina sy mifanaraka amin'ny zava-misy izany.
Io fomba fiasa io no ampiroboroboina amin'ny alalan'ny tetikasa Mangroves for Community and Climate, tohanan’ny WWF, izay nanampy tamin'ny famolavolana fitaovana ara-teknika sy fanamafisana ny fomba fanarenana ala honko eto Madagasikara.
Harena iankinan'ny aina eny amorontsiraka
Mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolo iainana ny ala honko. Miaro ny morontsiraka amin'ny onjan-dranomasina sy ny rivo-doza izy, mampihena ny fikorontanana an-tanety ary manampy amin'ny fiadiana amin'ny fiovan'ny toetr’andro amin'ny alalan'ny fitahirizana karibônina. Ho an'ny mpanjono kosa dia toy ny toeram-pitaizana ny harena anaty rano ny honko. Any an-dranomasina no manatody ny trondro maro, fa rehefa foy dia entiny ao anatin'ny ala honko ny zanany, izay ahitany sakafo sy fiarovana mandra-pahalehibeny. Rehefa lehibe izy ireo vao miverina any an-dranomasina. Midika izany fa raha simba ny honko dia mihena ihany koa ny vokatra azon'ny mpanjono.
Mifandray ny fiarovana sy ny fampandrosoana
Any Kivalo, ao amin'ny Kaominina Marofandilia, Distrikan'i Morondava, Faritra Menabe, dia hita maso ny tombontsoa entin'ny fikajiana ny honko. Mpanjono avokoa ny mponina ao. Rehefa mihena anefa ny hazandrano dia voatery manapaka hazo honko hanaovana saribao ny sasany, mba hahazoam-bola. Mba hialana amin’izany dia novolavolaina ny tetikasa fizahantany maharitra "Kivalo Soa Honko", tohanan’ny WWF Madagascar sy ny Miarakap ary tanterahin’ireo mponina ao an-toerana ihany. Ny vondron'olona ifotony Agnala maitso tsy hognan'olo no mitantana ny fiarovana ny ala honko.
Karazana honko miisa valo no hita ao Kivalo, anisan'izany ny afiafy, ny tagnandahy, ny tagnambavy ary morimony. Mivelona ao koa ny karazan-trondro sy vorona maro, ka mampiseho ny hakanton'ity rohivoahary ity sy ny lanjany amin'ny fiainan'ny mponina. Namboly honko manodidina ny 79 hektara ny VOI, nandritra ny taona 2024 # 2025, sady manatanteraka fanaraha-maso amin'ny alalan'ireo polisin'ala, mba hisorohana ny fanapahana tsy ara-dalàna.
Fiarovana ny hoavin'ny taranaka
Lasa loharanom-bola vaovao ho an’ny mponina ao Kivalo ny fizahantany. Afaka mitsidika ny ala honko sy mianatra ny fomba fambolena honko ireo mpizahatany. Mandoa sarany amin'ireo tolotra ara-pizahantany misy izy ireo, ka ampiasaina amin'ny fikojakojana ny ala sy fanatsarana ny fidiram-bolan'ny mponina ny vola azo. Efa hita taratra eo amin'ny fiainam-bahoaka ny vokatr’izany. Taloha mantsy, ohatra, dia maro ny ankizy nijanona tsy nianatra rehefa nahazo ny diplaoma CEPE, noho ny fahalaviran'ny sekoly ambaratonga faharoa. Ankehitriny, afaka manohy fianarana any Morondava izy ireo, satria efa manana fahefa-mividy ireo ray aman-dreny.
Ny zava-misy ao Kivalo dia manaporofo fa mifanindran-dalana tanteraka ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ara-toekarena. Rehefa voakajy ny ala honko dia mitombo ny harena anaty rano, misokatra ny sehatra ara-pizahantany, mihatsara ny fari-piainan'ny mponina ary voaaro kokoa ny morontsiraka, manoloana ny loza voajanahary. Ho an'i Madagasikara, ny fikajiana ny honko dia mitovy lenta amin’ny fanaovana tahiry ho fanatsarana ny fiainan'ny mponina aankehitriny sy ho an’ny hoavin'ny taranaka.




