Ronono velona : Tsy azo omena ny zaza latsaky ny herintaona !
Tsy solon-dronon-dreny velively ny ronono velona (rononon'omby), na misy aza ny fahasahiranana ara-bola. Fantaro ireo antony tsy tokony hisotroan'ny zaza latsaky ny 12 volana ny ronono velona.
Manankarena proteina sy akora isan-karazany mahasoa ny ronono velona, nefa tsy mahampy ny filàn'ny zazakely. Tsy hita aminy ohatra ny Fer, ny Vitamine D sy ny Zinc. Misy ihany koa nefa akora mavesatra izay saro-devonin'ny vavony sady mety hanimba ny voan'ny zaza. Be loatra ohatra ny "protéine" sy "sodium", ka misy fiantraikany ratsy amin'ny vavony sy ny voa : mety handoa sy hivalana ny zaza, na mety ho tratran'ny aretin'ny voa mihitsy. Eo ihany koa ny "allergies" izay mety hampangidihidy ny zaza. Na olon-dehibe aza, maro ireo tsy mahazaka ronono velona.
Tsy atao solona "biberon" sady tsy afangaro amin'ny sakafo
Mazava hoazy, ronono natokana ho an'ny zaza ihany no atao amin'ny "biberon". Efa misy fatra sahaza ny zaza, arakaraka ny taonany. Rehefa mihoatra ny enim-bolana kosa ny zaza, tsy asiana ronono velona ny sakafony. Ny rononon-jaza mahazatra ihany no ampiasaina raha hanamboatra mofomamy na karazan-tsakafo ilàna ronono ho azy. Ilàna fitandremana ny fanomezana sakafo masaka ny zaza, raha misy ronono izany, indrindra rehefa mividy karazana mofomamy sy ireo vokatra azo avy amin'ny ronono.
Rehefa mihoatra ny herintaona kosa ny zaza, azo atao ny manome azy ronono velona, saingy amin'ny fatra kely dia kely. Atambatra amin'ny sakafo izany mba tsy ho sarotra loatra ny fandevonana azy. Tsara raha arahi-maso manokana ny zaza amin'ny fanomezana ronono velona azy voalohany. Tsara raha manantona mpitsabo avy hatrany raha misy fiovana mampiahiahy toy ny fivalanana, ny tsy fahazotoan-komana na ny fisehoana fivontosana mena amin'ny vatana.




