Fakana an-keriny sy olona very : 175 no efa tafaverina, tao anatin'ireo fitarainana 200 voaray
Nihamafy ny tranga tsy fandriampahalemana mifandraika amin'ny fahaverezan’olona eto Madagasikara nandritra ny volana jona sy jolay 2026. Araka ny nambaran'ny solontenam-panjakana, fitarainana 200 no voarain'ny mpitandro filaminana manerana ny Nosy tao anatin'izay fotoana izay, ka olona 175 no efa hita sy tafaverina soa aman-tsara eny anivon'ny fianakaviany. Na izany aza, mbola mampanahy ny tranga sasany izay niafara tamin'ny famoizana aina.
Tranga maro samihafa miteraka fanjavonana
Tsy mitovy avokoa ny antony mahatonga ny olona hanjavona, raha ny fanazavana nomena ny mpanao gazety, omaly 22 jolay 2026, nandritra ny valan-dresaka niarahan'ny minisiteran'ny Foloalindahy, ny minisiteran'ny Fitsarana, ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny minisitera delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Anisan'izany ny fandosirana tokantrano, ny fakàna an-keriny itakiana onitra ary ny hedloka bevava. Hatramin'izao dia olona enina no voamarina fa namoy ny ainy, tamin’ireo tranga niseho tato ho ato, ka tao no vokatry ny fanaovana sorona, ny sasany noho ny valifaty noho ny lonilonim-piarahamonina, tao ny asa-jiolahy sy fanendahana, ny hafa noho ny vono sy ratra niniana natao, ary tao koa ny namono tena.
Namafisin'ny tomponandraikitra fa mitohy ny fanadihadiana sy ny fisamborana ireo ahiana ho voarohirohy. Hatreto dia olona 11 no efa nampidirina am-ponja vonjimaika. Anisan'ireo raharaha lehibe ny fakàna an-keriny sy famonoana zaza varira tany Toliara, izay nahavoasambotra teratany vahiny iray. Tompona orinasa fitrandrahana vatosoa any Ilakaka izy io, araka ny fanazavan'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo. Noho ny finoanoam-poana no heverina fa nanosika ny fanatanterahana io heloka bevava io. Etsy ankilany, efa voasambotra ihany koa ireo olona ahiana ho nandray anjara tamin'ireo tranga fakàna an-keriny sy famonoana zaza hafa. Antontan-taratasy folo no efa voarain'ny fampanoavana nanomboka ny volana jolay, hoy hatrany Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona.
Fisaonam-pirenena ny zoma 24 jolay 2026
Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana dia nambaran'ny solontenan’ny governemanta fa mpitandro filaminana sy hery fiarovana maherin'ny 5 000 no efa navondrona hiady amin'ireo tambajotran-jiolahy sy hiantoka ny fiarovana ny vahoaka manerana ny Nosy. Natsangana ihany koa ny Foibe Operasionina (CO-Centre Opérationnel) etsy amin'ny Kaomisaria Tsaralalàna handrindrana ny fandraisana andraikitra. Efa 21 andro no niasany, ary afaka manatona izany ny olom-pirenena hanao fitarainana. Etsy an-daniny, miasa hatrany ny laharana maitso 147, izay azo antsoina maimaim-poana raha misy ny tranga mampiahiahy.
Nanao antso avo amin'ny ray aman-dreny sy ny mpitaiza zaza ny Tonia Mpampanoa Lalàna mba hanara-maso akaiky ny ankizy sy tsy hamela azy ireo handeha irery, satria voalaza fa mampiasa tetika isan-karazany ny mpangalatra zaza mba hanatanterahana ny asa ratsiny.
Ho mariky ny fiombonam-po amin'ireo niharam-boina, dia nambara ho fisaonam-pirenena ny zoma 24 jolay 2026. Hampidinina amin'ny antsasaky ny tsatoka iantonany ny sainam-pirenena manerana an'i Madagasikara, voarara ny lanonana ampahibemaso, mikatona ny toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola. Marihina fa andro tsy iasana nefa andraisan-karama io andro io. Nambaran'ny fitondram-panjakana kosa fa hitohy, araka ny fandaharam-potoana efa napetraka, ny fanadinam-panjakana Bakalorea.




