• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpedia
Image
Reny&Zaza

Ahoana ny atao mba hisorohana ny fiterahana zaza sembana ?

21/07/2026 14:06 © Moov.Mg

Fanirian’ny ray aman-dreny maro ny hiteraka zaza salama. Tsy azo sorohana 100% nefa ny tranga rehetra satria misy ny kilema ara-batana na fahasembanana sasany izay vokatry ny fototarazo na antony tsy azo fehezina. Na izany aza nefa dia misy ireo fepetra azo raisina mba hampihenana ny « risques ».

Homanina mialoha ny fitondrana vohoka

Isan’ny fomba manampy hisorohana ny fiterahana zaza sembana na misy kilema ara-batana ny fanomanana mialoha ny fitondrana vohoka. Ny fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny hitoe-jaza dia manampy amin’ny fanombanana:
-ny tantaram-pahasalamana ananan’ny ray aman-dreny;
-ireo aretina mitaiza (diabeta, tosidrà, olana amin’ny « thyroïde » …);
-ireo fanafody raisina matetika;
-ireo loza mety hitranga noho ny taona na ny tantaram-pianakaviana.
Izany dia ahafahana mamantatra mialoha ireo olana sasany sy andraisana ny fepetra hiarovana ny reny sy ny zaza.

Mihinana « acides foliques » (vitamina B9)

Ny « acides foliques » dia vitamina tena ilaina amin’ny fiforonan’ny « système nerveux » ao amin’ny zaza. Ny tsy fahampiany dia mety hampitombo ny « risques » hisian’ny fahasimban’ny fantson’ny rafi-pitatitra (tube neural), toy ny « spina bifida », izay mety hampisy fahasembanana eo amin’ny zaza. Matetika dia asain’ny mpitsabo mihinana « acides foliques » ny vehivavy mialoha ny fitondrana vohoka sy mandritra ireo herinandro voalohan’ny vohoka.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja

Ny sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja dia manome ireo otrikaina ilain’ny zaza amin’ny fitomboany. Ny vehivavy bevohoka dia tokony hihinana betsaka:
-voankazo sy legioma;
-sakafo misy proteinina (atody, trondro, hena masaka tsara, tsaramaso sy voamaina);
-ronono na sakafo manolo azy;
-sakafo manankarena « fer », kalsioma ary vitamina.
Zava-dehibe ihany koa ny fisorohana ny tsy fahampian-tsakafo izay mety hisy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny zaza.

Fadiana ny toaka, sigara ary zava-mahadomelina

Ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka dia mety hiteraka olana amin’ny fitomboana ara-batana sy ara-tsaina ao amin’ny zaza. Ny sigara kosa dia mampitombo ny « risques » hisian’ny:
-fahaterahana aloha loatra;
-tsy fahampian’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo;
-olana amin’ny taovam-pisefoana;
-fahasahiranana amin’ny fivoaran’ny zaza.
Mety hampidi-doza be ho an’ny zaza ao an-kibo ihany koa ny zava-mahadomelina.

Manaraka tsara ny fotoana fisafoana mandritra ny fitondrana vohoka

Ny fisafoana mandritra ny fitondrana vohoka dia ahafahana manara-maso:
-ny fitomboan’ny zaza;
-ny fahasalaman’ny reny;
-ny mety hisian’ny fahasarotana.
Ny « échographie » sy ny fitiliana sasany dia afaka mamantatra mialoha ny olana sasany ary manampy amin’ny fikarakarana sahaza.

Mitandrina amin’ny areti-mifindra

Misy aretina sasany mety hampitombo ny « riques » hisian’ny fahasarotana sy fahasamponana amin’ny zaza. Mba hampihenana izany loza izany dia ilaina ny:
-manasa tanana matetika;
-mifady sakafo manta na tsy voasasa tsara;
-mahandro tsara ny hena sy trondro;
-manalavitra ny olona marary sasany mety mamindra aretina ;
-manatona mpitsabo raha misy tazo na soritr’aretina tsy mahazatra.
Misy vaksiny sasany mety mila atao mialoha na mandritra ny fitondrana vohoka, arakaraky ny toe-pahasalamana.

Mitandrina ireo fanafody sy ireo zavatra mety hampidi-doza

Tsy ny fanafody rehetra no azo hoanina mandritra ny fitondrana vohoka. Tsara hatrany ny manatona mpitsabo alohan’ny hinanana fanafody, eny na dia fanafody fampiasa aza. Ankoatra izay dia tokony tandremana ihany koa ny fikasahina be loatra ireo zavatra mety hampidi-doza, toy ny akora simika sasany, fanafody famonoana bibikely, ranon-javatra mampidi-doza…

Lire la suite

Articles Similaires