• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tily Eto Madagasikara
Image
Vaovao

Faha-90 taonan'ny Sampana Mavo sy Sampana Mena : Tily an'arivony no handray anjara amin’ny lasy any Moramanga

17/07/2026 08:53 © Moov.Mg

Hanamarika dingana lehibe eo amin'ny tantaran'ny Tily eto Madagasikara ny fiandohan'ny volana aogositra 2026. Tily an'arivony avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no ho tafavory any Moramanga, mandritra ny lasy nasiônaly hankalazana ny faha-90 taonan'ny Sampana Mavo sy ny Sampana Mena. Hafatra mafonja no ampitainain’ny fikambanana : mbola manohy ny iraka fanabeazana zazalahy sy tovolahy ho olom-banona ny fikambanana.

90 taona nanabeazana zazalahy

Hotanterahina ny 1 ka hatramin'ny 5 aogositra, any Moramanga, ireo lasy roa lehibe ho fankazana ny faha-90 taonan'ny Sampana Mavo sy ny Sampana Mena, eo anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Maherin'ny 4.800 ireo Lovitao sy mpiandraikitra andrasana ho avy, amin’ny lasin’ny Sampana Mavo, raha tanora maherin'ny 700 kosa no handray anjara amin'ny lasin'ny Sampana Mena.

Tsy ny tsingerintaona fotsiny no hankalazaina fa ny vokatra azo, efa naharitra sivifolo taona, hoy ny avy eo anivon’ny Tily eto Madagasikara. Hatramin'ny niorenany tokoa mantsy dia nitaiza taranaka maro ity fikambanana skoto zazalahy ity, nampiorina azy ireo tamin'ny soatoavina toy ny fanompoana an'Andriamanitra, ny fitiavan-tanindrazana, ny firahalahiana, ny fandraisana andraikitra ary ny fanajana ny Lalàn'ny Skoto.

Firahalahiana sy fanompoana

Ny Sampana Mavo dia ahitana ankizilahy 6 hatramin'ny 11 taona. Amin'ny alalan'ny lalao, ny fiainana anaty natiora ary ny fiaraha-miasa no anabeazana azy ireo. Eo no anombohan'ny ankizy mianatra mizaka andraikitra sy miaina miaraka amin'ny hafa. Ilay boky mitondra ny lohateny hoe : « Livre de la Jungle », izay nosoratan’i Rudyard Kipling, no nisintonana ny aingam-panahy amin’izany fanabeazana izany.

Ny Sampana Mena kosa dia natokana ho an'ny tanora 17 hatramin'ny 19 taona. Mifantoka amin'ny fanofanana mpitarika sy olom-pirenena tompon'andraikitra ny fanabeazana. Tetikasa, fanompoana ny fiarahamonina ary fahaiza-mitarika no anisan'ny sehatra hampivelarana azy ireo.

Mandritra ny dimy andro no hanatanterahana ny lasy any Moramanga. Hiara-hiaina ny firahalahiana sy ny fanompoana ireo Tily avy amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara. Amin'ny alalan'izany no hanamafisan'ny Tily eto Madagasikara fa mbola mijoro ho mpiara-miombona antoka amin'ny ray aman-dreny sy ny sekoly amin'ny fanabeazana ny tanora ny fikambanana, na dia efa 90 taona aza no nanatanterahany izany iraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires