• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Axian
Image
Vaovao

Fondation AXIAN : Nanolotra fotodrafitrasa raitra ho an'ny mpianatra 520, ao amin'ny EPP Mandrosoa Imerintsiatosika

16/07/2026 08:50 © Moov.Mg

Nahazo efitrano fianarana vaovao sy fotodrafitrasa mendrika ny EPP Mandrosoa ao Imerintsiatosika. Notokanan'ny Fondation AXIAN sy ny fikambanana KOZAMA, omaly 15 jolay, ireo fotodrafitrasa ireo, izay hahafahan'ny mpianatra maherin'ny 520 mianatra ao anatin'ny tontolo azo antoka sy manaraka ny fenitra takian'ny fanabeazana.

Mamaly ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa

Notokanana tamin'ny fomba ofisialy, omaly, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin'ny EPP Mandrosoa, ao amin'ny kaominina Imerintsiatosika, Faritra Itasy. Tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa Sekoly Yas, tanterahin'ny Fondation AXIAN izi ity ; tetikasa izay niarahany niasa tamin'ny fikambanana KOZAMA, niaraka tamin'ny tan-tsorok'ireo tompon'andraikitra sy ny mponina any an-toerana. Efitrano fianarana telo sy trano fivoahana vaovao no naorina ao amin'ny EPP Mandrosoa. Hahazo tombony amin'izany ireo mpianatra maherin'ny 520 izay niatrika olana noho ny tsy fahampian'ny toerana fianarana, nandritra ny taona maro.

Talohan'izao fanorenana izao tokoa mantsy dia efitrano roa efa tonta ihany no nananan'ity sekoly fanabeazana fototra ity. Noho ny fitombon'ny isan'ny mpianatra dia voatery natao tany am-piangonana ny ampahany tamin'ny fampianarana, ka tsy nahafahana nanaja ny fepetra ilaina amin'ny fanabeazana. Araka ny nambaran'ireo tomponandraikitry ny tetikasa, dia hanatsara ny kalitaon'ny tontolon'ny fanabeazana any an-toerana ireo fotodrafitrasa vaovao, sady hanome sehatra mendrika kokoa ho an'ireo mpampianatra, amin'ny fanatanterahan'izy ireo ny asany.

Fanohanana ireo mpampianatra sy talen-tsekoly

Ankoatra ny fananganana fotodrafitrasa dia hisy ihany koa ny fanohanana ara-pedagojika, mandritra ny telo taona. Ny fikambanana KOZAMA no hiandraikitra izany, amin'ny alalan'ny fampiofanana momba ny fampianarana mavitrika (pédagogie active), fanohanana ireo mpampianatra sy talen-tsekoly ary fampandrosoana ny garabola. Tanjon'ity fomba fiasa ity ny hampifandray ny fanabeazana eny amin'ny garabola sy ny ambaratonga fototra, mba hanamora ny fivoaran'ny ankizy hatrany am-piandohan'ny fibeazany an-tsekoly. “Tsy ny fananganana sekoly fotsiny no tanjonay. Tena ezaka iray imasoanay ny famoriana ireo fepetra rehetra ahafahan’ny ankizy tsirairay mitombo, mianatra ary ho afaka handray andraikitra tsara eo anivon’ny fiarahamonina misy azy rahampitso. Io vina io no mitarika ny fandaharanasanay rehetra”, hoy i Mialisoa Andrianasolo, tale mpitantana ny Fondation AXIAN.

Ho an'ny Fondation AXIAN sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ny fananganana sekoly sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny mpanabe dia mifameno amin'ny tanjona iray ihany : ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao sy maharitra, mba hahafahan'ny ankizy manana fahafahana bebe kokoa amin'ny hoaviny. Araka izany, nandritra ny lanonana ihany koa no nametrahana ny vatofototry ny kianja fanaovana fanatanjahantena MHetsika MVola, izay natao hanohanana ny fivelaran'ny ankizy sy ny tanora.

Hatramin'ny nanombohan'ny fandaharanasa Sekoly Yas tamin'ny taona 2015 dia efa fotodrafitrasa miisa 240 no naorina manerana an'i Madagasikara. Ankizy maherin'ny 61.000 no efa nisitraka izany, ka maherin'ny 2.700 no ao amin'ny Faritra Itasy.

Lire la suite

Articles Similaires