• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahalalana Ankapobeny

Andro ririnina : Fikarakarana hoho mora tapaka na tsy mety maniry

10/07/2026 15:20 © Moov

Makiana, miendakendaka, mora tapaka na sarotra ampaniriana ny hoho rehefa mangatsiaka ny andro. Araho àry ny torohevitra hananana hoho salama tsara amin'izao fialantsasatra izao.

Atao izay hahamandina ny hoho

Tena ilain'ny hoho ny "hydratant" mba hanamafisana sy hampaniriana azy. Azo atao tsara araka izany ny manisy "crème main" amin'ny hoho, rehefa mikarakara ny tanana iny. Mba hahitana vokatra tsara kosa nefa, tsara raha vokatra azo avy amin'ny akora voajanahary no ampiasaina. Anisan'izany ohatra ny "huile d'olive", "huile de ricin" na "huile d'amande douce". Azo andramana tsara ihany koa ny tongolo gasy, ahosotra amin'ny hoho mialoha ny hatory, izay manamafy hoho sy manafaingana ny faniriny.
Sasana tsara amin'ny savony malefaka sy rano mafana ny tanana amin'ny alina, ka kosorana ny menaka. Atao izay tsy hikasohany amin'ny akanjo na ny lambam-pandriana. Azo antoka fa ho hita maso tokoa ny hoho mihamafy sy mangirana kokoa isaky ny mifoha maraina. Ho an'ny tontolo andro kosa, tena ilaina ny "crème main" azo antoka. Azo atao tsara ny mampiasa lingettes hamafana ny loto amin'ny tanana, ka hahafahana manosotra crème hatrany.

Arovana amin'ny hatsiaka ny hoho

Rehefa ririnina, indrindra fa rehefa mangatsiaka tanteraka ny andro, mila fiarovana na ny hoditra, na ny hoho, na ny volo. Mba hampahomby ny fitsaboana ny hoho atao, amporisihina ny fanaovana "gants" isan'andro. Anaovana izany fiarovana izany isa-maraina sy isan-kariva, rehefa midina ny maripana, ka esorina rehefa mahazo hafanana.
Eo amin'ny ara-tsakafo, entanina ny fihinanana sakafo manankarena Omega 3 toy ny trondro. Ilaina ihany koa ny "fer" izay azo avy amin'ny legioma maitso sy ny voatabia.

Ahato ny fanaovana "vernis permanent" na "faux-ongles"

Tsy vitsy ireo alaim-panahy hanatsara hoho amin'ny alalan'ireo vokatra artifisialy samihafa, indrindra moa raha hamonjy lanonana. Raha hita fa tsy salama nefa ny hoho, tsy azo eritreretina mihitsy ny "vernis permanent" na "faux-ongles". Raha tena ilaina ny manatsara ny endriky ny hoho, dia "vernis" vidiana eny amin'ny farmasia ihany no azo ampiasaina. Vao maika hampihitatra ny olan'ny hoho ny fampiasana vokatra simika izay miraikitra amin'ny hoho natoraly mandritra ny fotoana maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires