Fisorohana ny fahaverezan’olona : Vonona hamatsy vola ny andrimasom-pokonolona ny Fiadidiana ny Repoblika
Manoloana ny fitombon’ny tranga fahaverezan’olona, indrindra ny ankizy, eto Madagasikara, dia miantso ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël. Nambarany fa vonona ny Fiadidiana ny Repoblika hamatsy vola ny fananganana sy fampandehanana ny andrimasom-pokonolona, ho isan’ny fepetra hiadiana amin’izao tranga mampanahy izao.
Endrika fampihorohoroana
Teny Ambatolampy Tsimahafotsy, Tongarivo ary Bongatsara ny filohan'ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, androany 8 jolay 2026, niaraka tamin’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, Rampanarivo Thierry, sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ireo fianakaviana namoy havana, noho ny nafitsok'ireo olon-dratsy izy. Fa nandritra izany ihany koa no nanehoany hevitra, manoloana ny zava-mitranga ankehitriny. Nanambarany fa tsy resaka pôlitika intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao, fa azo adika ho fampihorohoroana. Mety mikendry ny hampiseho amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo olon-dratsy, fa tsy milamina i Madagasikara.
Nilaza ny kôlônely Randrianirina Michaël fa tsy hahomby ny ady amin’ny olon-dratsy, raha tsy misy ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Noho izany, niantso ny olom-pirenena izy mba hiray hina sy hifampatoky ary hizara vaovao amin’ireo tomponandraikitra rehefa misy ahiahiana, na ny vaovao mety hanampy amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Fiaraha-miasan’ny mponina sy ny mpitandro filaminana
Anisan’ny vahaolana nasongadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny fanamafisana ny andraikitry ny andrimasom-pokonolona eny ifotony. Nambarany fa efa midina eny amin’ireo Fokontany ahitana tranga mampiahiahy ny mpitandro ny filaminana. Mifanindran-dalana amin'izay dia mampirisika ny fananganana andrimasom-pokonolona isaky ny Fokontany izy. Notsipihiny fa vonona ny Fiadidiana ny Repoblika hamatsy vola ireo andrimasom-pokonolona mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny amin’ny fiambenana sy ny fisorohana ny asan-jiolahy. Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fiarovana eny ifotony sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana.
Fametrahana ny rafitra "Alerte enlèvement"
Soso-kevitra hafa naroson'ny kôlônely Randrianirina Michaël, mba hanafainganana ny fikarohana ireo olona very, indrindra ny ankizy, ny fametrahana ny rafitra "Alerte enlèvement" eto Madagasikara, izay ampiasaina any Frantsa rehefa misy ankizy very na ahiana ho nalaina an-keriny. Nambarany fa afaka mandray anjara amin’izany ihany koa ny fiangonana, amin’ny fampanenoana lakolosy, ny sefo Fokontany amin’ny fitsofana kiririoka, ary ny olom-pirenena rehetra, amin’ny fampandrenesana haingana ireo tomponandraikitra, rehefa misy tranga mampiahiahy.
Araka ny tarehimarika navoakan'ny Polisim-pirenena malagasy moa dia nahatratra 172 ireo ankizy very, tao anatin'ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2026 ity, manerana ny Nosy. Manoloana izany, mihevitra ny Filohan’ny Fanavaozana fa ilaina ny fandraisana andraikitra maika sy iarahan’ny rehetra, mba ho fisorohana sy ho famongorana ireo tambajotran-jiolahy tompon’antoka amin’ny fahaverezan’olona.




