Doro tanety any SAVA : 287 831 ha no may tao anatin'ny herintaona, tany Vohémar ny 70%
Nankatoavina ny Drafitra Vonjy Taitra isam-paritra hiadiana amin'ny doro tanety sy doro ala ao amin'ny Faritra SAVA. Isan’ny mbola tena anjakan’ny doro tanety sy ny doro ala ity Faritra ity, ka hampiharina avy hatrany ity drafitra ity.
Ady amin'ny doro tanety sy doro ala
Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao SAVA dia nahatratra 287 83,25 hektara ny velaran-tany may tao amin’ity Faritra ity nandritra ny taona 2025. Ny 70%-n'ireo tany may ireo dia tao amin'ny Distrikan'i Vohémar avokoa. Maika, noho izany, ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fiatrehana ny afo any SAVA.
Manoloana izany indrindra dia nankatoavina tamin'ny fomba ofisialy, omaly 7 jolay 2026, ny Drafitra Vonjy Taitra isam-paritra momba ny ady amin'ny doro tanety sy doro ala ho an'ny Faritra SAVA. Ity faritra ity no fahefatra eto Madagasikara nahavita namolavola sy nankatoa drafitra toy izao. Nandritra ny atrikasa nokarakarain'ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy SAVA, tany Sambava, niaraka tamin'ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandidon-doza (BNGRC), no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Nahazo fanohanana avy amin'ny tetikasa Food Systems Resilience Program (FSRP) ihany koa ny hetsika.
Ny fisorohana no atao laharam-pahamehana
Araka ny fanazavana, natao hanamafisana ny paikady fisorohana sy fiatrehana ny doro tanety sy doro ala ny drafitra. Kendrena amin'izany ny hanatsarana ny fiaraha-miasan'ireo sampan-draharaham-panjakana, ny mpiara-miombona antoka ary ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, mba hahafahana mihetsika haingana sy mirindra rehefa misy loza. Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasa ny Prefen'i Sambava, Rabemamory Adèle Bienheureux, izay nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mientana amin'ny fampihenana ny loza ateraky ny doro tanety sy doro ala.
Nambaran'ny Lehiben'ny Faritra SAVA, David Razanantsoa Brassilive, kosa fa isan'ny laharam-pahamehan'ny faritra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireo mpisehatra rehetra. Hampiharina avy hatrany ity Drafitra Vonjy Taitra ity, indrindra manoloana ny firongatry ny fahasimbana, vokatry ny doro tanety tao amin'ny Faritra SAVA tamin'ny taona 2025. Antenaina fa hanampy amin'ny fampihenana ny tranga sy ny fiarovana ny harena voajanahary ary ny mponina ny fampiharana ireo fepetra voarakitra ao anatin'ity drafitra ity.




