• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Ihosy : Anorenana Ivon-toerana ho an'ireo ankizy manana toe-tena varira, mahazaka olona 125 isa

08/07/2026 10:16 © Moov.Mg

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly 7 jolay 2026, ny fananganana ivon-toerana fitaizana sy fanabeazana ireo zaza manana toe-tena varira ao Ankily, Distrikan'i Ihosy. Mahazaka olona hatramin'ny 125 isa ity fotodrafitrasa vaovao ity, izay natao hanomezana toerana azo antoka sy hanatsarana ny fiainan'ireo ankizy marefo.

Fotodrafitrasa ho fiarovana ireo zaza varira

Napetraka omaly 7 jolay ny vatofototry ny ivon-toerana fitaizana zaza manana toe-tena varira ao amin'ny kaominina Ankily, distrikan'i Ihosy, faritra Ihorombe. Tetikasa entin'ny Fikambanana Fanjiry, tarihin'i Randrianirina Elisa, vadin'ny Filohan'ny Repoblika, izy io, mba handraisana anjara amin'ny fiarovana sy fanohanana ireo ankizy varira. Araka ny fanazavana dia ho afaka handray olona 125 isa ity ivon-toerana ity, izay hahitana efitra fatoriana misaraka ho an'ny lahy sy ny vavy ary toeram-pitsaboana. Nanomboka avy hatrany ny asa fanorenana, izay vinavinaina haharitra dimy volana, ka kasaina ho vita amin'ny 7 desambra 2026.

Nambaran-dramatoa Randrianirina Elisa fa mbola maro ny fanamby atrehin'ireo olona manana toe-tena varira : fanilikilihana, fahazoana fanabeazana sy fitsaboana, fiarovana amin'ny herisetra. Araka ny nambarany, natao hanomezana toerana azo antoka sy hiarovana ny fahamendrehan'ireo ankizy ity ivon-toerana ity, sady dingana voalohany amin'ireo tetikasa hafa kasain'ny Fikambanana Fanjiry hotanterahina ho an'ireo olona manana toe-tena varira.

Olona varira, misedra olana maro

Nankasitraka izao tetikasa izao ny fikambanan'ireo olona manana toe-tena varira, Albinos Madagascar. Nilaza ny filohany, Soja Fulgence, fa efa maro ny fangatahana fanampiana nataon'izy ireo tany aloha, saingy tsy mbola nisy fotodrafitrasa natokana ho azy ireo tahaka izao. Notsindrian'i Soja Fulgence fa tsy ny olana ara-pahasalamana sy ny fanilikilihana ihany no iainan'ireo olona varira, fa mbola mampanahy ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Manodidina ny 1 000 anefa no isan’ireo olona manana toe-tena varira voamarina manerana an'i Madagasikara.

Nambarany fa nitombo, tao anatin'ny dimy taona, ny trangana fakana an-keriny sy famonoana olona varira. Tamin'ny taona 2022, ohatra, dia nisy olona 25 nalaina an-keriny ka ny fito tamin’ireo no namoy ny ainy. Tamin'ny 2023 dia nisy 21 nalaina an-keriny ary dimy no maty. Tamin'ny 2024 kosa dia olona 24 no niharan'izany, ka 12 no namoy ny ainy. Nidina ho 16 ny tranga tamin'ny taona 2025, saingy nisy telo no maty. Efa olona 10 kosa no nalaina an-keriny tamin'ity tapany voalohan'ny taona 2026 ity, ka ny sivy no namoy ny ainy. Manoloana izany toe-javatra izany, antenaina fa hitondra fiarovana bebe kokoa ho an'ireo zaza manana toe-tena varira ity ivon-toerana vaovao ao Ihosy ity, sady hanampy amin'ny fanatsarana ny fikarakarana sy ny fanabeazana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires