• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Nanao sonia ny politika anatiny ny Minisiteran'ny Tontolo iainana

07/07/2026 16:25 © Moov

Nanao sonia ny Politika Anatiny hiadiana amin'ny Kolikoly (PILCC) ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy niaraka tamin'ny BIANCO, omaly. Tanjona ny hanamafy ny mangarahara, ny tamberin'andraikitra ary ny fitantanana madio eo anivon'ny ministera.

Politika hiadiana amin'ny kolikoly

Teny amin'ny Maison de la Diplomatie Verte, Ampandrianomby, no nanatanterahana ity fanaovan-tsonia ity. Niaraka tamin’izany ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Birao Mahaleotena miady amin'ny Kolikoly (BIANCO). Ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Andriatsihala Nolave Luck Aristide, sy ny Tale Jeneralin'ny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor, no nitarika ny lanonana.
Tanjona kendrena amin’izany ny hanamafy ny fitantanana madio sy mangarahara, hampiroborobo ny tamberin'andraikitra ary hampitombo ny fitokisan'ny olom-pirenena amin'ny fitantanana ny harena voajanahary.

Mifototra amin'ny andry telo

Miorina amin'ny andry telo lehibe ny PILCC, dia ny fanentanana, ny fisorohana ary ny fampiharana ny lalàna. Araka ny nomarihina moa dia i Madagasikara no firenena tokana aty Afrika manana politika anatiny tahaka izao hiadiana amin'ny kolikoly. Anisan'ireo ministera voalohany nametraka izany ihany koa ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy. Marihina fa nahazo fanohanana ara-teknika avy amin'ny GIZ ny fanomanana ity politika ity.
Nandritra io fotoana io dia natolotra tamin'ny fomba ofisialy ihany koa ny fanambaram-pananan'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny ministera, izay isan'ny fepetra entina manamafy ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana.
Ny MEDD, amin’ny alalan’ity politika anatiny ity dia mikendry ny hanamafy ny kolontsain'ny fahitsiana sy ny fitantanana madio. Manamafy ihany koa izany fa mifandray akaiky amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.

Lire la suite

Articles Similaires