Baolina kitra : Fantatra ireo ekipa hifanandrina amin’ny ampahefa-dalana amin’ny YAS Coupe de Madagascar 2026
Notanterahina androany, tao amin’ny Campus Yas Andraharo, ny antsapaka ho an’ny dingan’ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana amin’ny YAS Coupe de Madagascar 2026. Izy ity dia lalao baolina kitra karakarain’ny YAS Madagascar sy ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF). Hifandona amin’izany ireo klioba valo mbola tafavoaka hiady ny tapakila mankany amin’ny dingana manaraka.
Fihaonana efatra hiadiana ny toerana amin’ny manasa-dalana
Isan-taona no hanatanterahan’ny Yas Madagasikara sy ny FMF ity, lalao ity. Ny YAS Madagasikara, izay mpanohana voalohany ny baolina kitra eto Madagasikara, dia vonona hatrany hanome lanja ny talenta eto Madagasikara, ka antony hikarakarany, ity lalao ity, hoy i Henintsoa Randrianjatovonarivo, avy amin’ny Yas.
Efa nanomboka ny volana aprily ny fifanintsanana ary hiditra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana, amin’izao fotoana izao. Ho amin’izany dingana izany dia hifanandrina ny WAGNER FC sy AJESAIA (match 72), ny ELGECO PLUS sy AS Sainte Anne (match 73), ny CFFA sy COSFA (match 74), ary ny AFCA sy FC ROUGE (match 75). Ho tanterahina eto Antananarivo sy Ambovombe ary Antalaha moa ireo lalao efatra ireo, ny 12 jolay, izao.
Marihina fa nahazo fandaminana manokana ny Wagner FC avy any Ambovombe sy ny AFCA avy any amin’ny Faritra SAVA noho ny halaviran-dalana sy ny fandaminana ara-pitaterana. Ireo klioba roa ireo ihany koa no sisa tavela tsy milalao ao amin’ny Pureplay Football League (PFL), nefa mbola tafita amin’ity fifaninanana ity.
Efa fantatra ihany koa ny lalan’ny manasa-dalana
Natao niaraka tamin’io fotoana io ihany koa ny antsapaka ho an’ny dingan’ny manasa-dalana. Tamin’ny valin’ny hatsapaka dia hifandona amin’izany ny mpandresy avy amin’ny match 72 hifanandriana amin’ny mpandresin’ny match 73. Etsy ankilany, hiatrika ny mpandresy amin’ny match 74 kosa ny mpandresy amin’ny match 75. Hatao eto Antananarivo, ny 22 sy 25 jolay, izao ny manasa-dalana.
Azo lazaina ho henjana ity dingana ity, satria samy mikendry ny hanohy ny diany ho amin’ny famaranana ireo klioba rehetra mbola eo amin’ny fifaninanana, ireo. Ho an’ny Wagner FC sy AFCA manokana, fotoana iray hanehoana fa afaka mifaninana amin’ireo klioba efa zatra milalao ao amin’ny PFL ihany koa izy ireo.




