• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Zaza very : Hampitomboina ny isan’ireo mpitandro filaminana eny an-kianja, mandritra ny fanadinam-panjakana

06/07/2026 10:59 © Moov.Mg

Taorian’ny fitomboan’ireo trangana tsy fandriampahalemana voamarika tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, toy ny vaovao momba ny zaza very, ny fakana an-keriny sy famonoana varira ary ny fanafihana mitam-piadiana, dia nampahafantatra ireo fepetra vaovao oraisiny ny mpitandro ny filaminana. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fampitomboana ny isan’ireo mpitandro filaminana eny an-kianja, indrindra mandritra ny fotoam-panadinam-panjakana, mba hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka.

Hampitomboina ny fiarovana eny ifotony

Namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana mivondrona eo anivon’ny OMC National élargi, omaly 5 jolay 2026, manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana niseho lany tato ho ato. Voalaza, nandritra izany, fa hamafisina ny fisian’ny mpitandro filaminana eny amin’ireo toerana ifamezivezen’ny olona maro, indrindra mandritra ireo fanadinam-panjakana. Nora&isina izao fanapahan-kevitra izao, noho ny fahitana ny fitomboan’ireo tranga mampiahiahy any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara, izay miteraka ahiahy sy tebiteby eo amin’ny mponina.

Araka ny fanazavan’ny OMC National élargi, dia miseho amin’ny endrika maromaro ny tranga tsy fandrimpahalemana amin’izao. Isan’izany ny fanafihana mitam-piadiana tany Toamasina, ny fakana an-keriny sy fandrahonana olona na zaza varira, ary koa ny fiparitahan’ny vaovao, manerana ny tambajotra sôsialy, momba ny fisian’ny zaza na olon-dehibe very, tao anatin’ny telo herinandro farany. Ireo endrika fanakorontanana ireo dia mikendry ny fambolena tahotra sy hampikorontana ny filaminam-bahoaka, raha ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana.

Amoraina ny fandraisana fitoriana

Ankoatra ny fanamafisana ny filaminana, dia voalaza tao anatin’ity fanambarana ity fa hatao laharam-pahamehana ny famotorana ireo dosie rehetra mifandraika amin’ny fakana an-keriny, fandrahonana, fanafihana mitam-piadiana, hala-jaza ary ireo tranga hafa mampiahiahy. Nampanantena ihany koa ny mpitandro ny filaminana fa homena toromarika mazava ireo sampan-draharaha eny ifotony mba handray haingana sy amim-panajana ireo olona manatona hanao fitorohana na fitoriana. Etsy ankilany, ny Ministeran’ny Mponina no hiandraikitra ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy ireo niharam-boina sy ny fianakaviany.

Ho an’Antananarivo manokana, dia handray ireo fitoriana mifandraika amin’ireo raharaha ireo ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ao amin’ny varavarana faha-25. Any amin’ny faritra kosa dia nomena toromarika ny Fampanoavana rehetra mba hanara-maso akaiky ireo dosie. Misy ihany koa ny laharana maitso 147 sy 038 18 851 43, izay azon’ny olom-pirenena antsoina raha misy tranga mampiahiahy, na vaovao tiana hampitaina amin’ny tompon’andraikitra.
Tanjoa amin’ny nandraisana ireo fepetra ireo ny fanamafisana ny fiarovana ny mponina sy ny fanenjehana ireo tompon’antoka amin’ireo asa manohintohina ny filaminam-bahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires