Foloalindahy : Nohamafisina tamin’ny fitaovana vaovao ny fahafahan’ny Jenia Miaramila amin’ny asa fanamboaran-dalana
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Toby CAPSAT Soanierana, ireo fiara vaventy sy fitaovana maoderina fanamboaran-dalana natolotry ny orinasa sinoa Ching Chan ho an’ny Tafika Malagasy. Kendrena amin’izany ny hanamafisana ny fahafahan’ny Jenia Miaramila manatanteraka asa fanorenana fotodrafitrasa sy fanamboaran-dalana ho tombontsoan’ny mponina.
Fitaovana hanohanana ny fampandrosoana
Tonga nanatrika izany lanonana izany moa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël, sy ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fanjakana ary ny Tafika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ireo fitaovana noraisina ny kamiao benne 20 m³ miisa enina, compacteur vibrant miisa telo, tractopelle miisa telo, tracto-chargeur miisa telo ary concasseur miisa telo.
Raha ny fanazavana dia vokatry ny fiaraha-miasa nifanaovan’ny Tafika Malagasy sy ny orinasa sinoa Ching Chan nanomboka ny volana novambra 2025 ireo fitaovana ireo. Ankoatra ny fanofanana miaramila, dia manamafy ihany koa ny fiaraha-miasa ara-teknika sy ara-pitaovana eo amin’i Madagasikara sy Sina izany.
Hanatsara ny fotodrafitrasa sy ny fiainan’ny mponina
Nandritra ny lahateniny, nanambara ny Minisitry ny Foloalindahy fa iray amin’ireo vina ijoroan’ny Tafika Malagasy ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka. Araka ny nambarany, hanampy betsaka amin’ny fanatanterahana izany ireo fitaovana vaovao, satria hahafahan’ny Jenia Miaramila manafaingana ny asa fanamboaran-dalana sy fananganana fotodrafitrasa, indrindra any amin’ireo faritra mbola saro-dalana sy mitoka-monina.
Vinavinaina fa hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny famoaham-bokatra izany, ka hitondra fiantraikany mivantana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Nohamafisin’ny minisitra fa rehefa mihatsara ny fotodrafitrasa dia manampy amin’ny fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ihany koa izany. Araka izany, handray anjara betsaka amin’ny fanorenana na fanarenana fotodrafitrasa izany, ny avy ao amin’ny Tafika Malagasy.




