• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Lany ny lalàna momba ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (CESC)

03/07/2026 12:18 © Moov

Nankatoavin’ny Antenimierampirenena, tamin’ny endriny nasiam-panitsiana, omaly 2 jolay 2026, ny Tolo-dalàna Fehizoro laharana faha-015-2025/PL momba ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (CESC). Ity rafitra voafaritry ny Lalàmpanorenana ity dia natao hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny hery velona amin’ny famolavolana ny politikam-panjakana.

Rafitra hanamafisana ny fifampidinihana

Natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao Betioky Atsimo, Andriamatoa Hanognona Hervé, ity tolo-dalàna ity. Nataony izany mba hampiharana ny andininy faha-105 ao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny 11 Desambra 2010, izay mametraka ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina.
Araka ny fanazavana izay nentiny, ny CESC dia rafitra mpanolo-tsaina sy mpanome hevitra ho an’ny Fanjakana. Tsy hisolo toerana ireo andrim-panjakana efa misy izy, fa ho sehatra hampifandray ny olom-pirenena sy ny mpitondra, hanome torohevitra amin’ny fanomanana lalàna sy politika ampahibemaso, ary hampiditra bebe kokoa ny zava-misy ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina amin’ny fanapahan-kevitra nasionaly. Araka izany, ny tanjona dia ny fisokafana bebe kokoa amin’ny fandraisan’anjaran’ny hery velona, mikasika ny fanapahan-kevim-panjakana
Ahitana lohateny telo sy andininy 26 moa ny lalàna, izay mamaritra ny iraka sy andraikitry ny Filankevitra, ny firafitry ny mpikambana ary ny fomba fandaminana sy fampandehanana azy.

Hisolo tena ny hery velona rehetra

Nasongadin’ny Solombavambahoaka Hanognona Hervé fa tsy ny mpanao politika irery no tokony handray anjara amin’ny fitantanana ny firenena. Araka ny nambarany, hisolo tena ireo sehatra samihafa sy ny faritra rehetra ny CESC, mba hahafahan’ireo hery velona mandray anjara amin’ny famolavolana ny politika nasionaly.
Voafaritra ao anatin’ilay lalàna ihany koa ny fitandroana ny fifandanjana eo amin’ny fahaiza-manaon’ny mpikambana sy ny fisoloan-tenan’ny faritra ary ny sehatra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina. Homena lanja manokana koa ny kolontsaina malagasy, izay miorina amin’ny fifampidinihana sy ny fifanajana.
Amin’ny alalan’ny CESC, antenaina fa hivelatra kokoa ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonina sivily, ny sehatra tsy miankina, ny tanora ary ireo hery velona hafa amin’ny raharaham-pirenena. Dingana iray hanamafisana ny mangarahara, ny fifampidinihana ary ny fitantanana mandray anjara ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara, ity rafitra ity, ho an’ny mpanohana ny lalàna, toy ireo Firaisamonim-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires