• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rakotoaritiana Navalona Francky
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Lany ny tolo-dalàna momba ny politikan’ny fampiasana ny teny malagasy

01/07/2026 15:57 © Moov.Mg

Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, androany 1 jolay 2026, ny tolo-dalàna laharana faha-006-2026/PL momba ny politikan’ny fampiasana ny teny sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara. Ny tanjona lehibe dia ny hanomezana lanja sy hasina bebe kokoa ny teny malagasy, izay ampiasain’ny 99%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Fanandratana ny teny malagasy

Dingana iray lehibe eo amin’ny politikan’ny teny eto Madagasikara no tontosa, taorian’ny fandanian’ny Antenimierampirenena ny tolo-dalàna natolotry ny Solombavambahoaka Rakotoaritiana Navalona Francky, voafidy tao Antananarivo III. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny toeran’ny teny malagasy eo amin’ny sehatra ofisialy sy ny fiainam-pirenena ity lalàna ity. Araka ny voarakitra ao anatiny dia hatao amin’ny teny malagasy ny taratasim-panjakana, ny didim-pitsarana, ny antontan-taratasy ampiasaina eny amin’ny toeram-piasana ary ireo antontan-taratasy ôfisialy hafa. Heverina fa hanamora ny fahazoan’ny olom-pirenena ny votoatin’ireo antontan-taratasy izany, indrindra ho an’ireo tsy mahafehy afa-tsy ny teny malagasy.

Namafisin’ny solombavambahoaka nanolotra ny tolo-dalàna, fa tsy misy firenena manana ny teniny nefa mampiasa teny vahiny ho teny fototra amin’ny fiainana andavanandro. Mihoatra ny 99%-n’ny mponina eto Madagasikara no mahay sy miteny malagasy, ary maherin’ny 80% no tsy mahay afa-tsy io teny io, araka ny antontanisa navoakan’ny Ivotoerana Nasionaly momba ny Antontanisa (INSTAT) tamin’ny fanisam-bahoaka RGPH-3 taona 2018. Io zava-misy io no anisan’ny antony nanosika ny famolavolana lalàna manokana momba ny fampiasana teny.

Teny malagasy, manankarena

Efa misy ihany ireo fepetra noraisina momba ny teny eto Madagasikara, any anaty Lalàmpanorenana sy didy samihafa, saingy mbola tsy nisy lalàna namaritra mazava ny zon’ny olom-pirenena amin’ny fampiasana ny teny amin’ireo raharaha mahakasika azy. Araka ny fanazavana ao anatin’ny filazana ny antonantonin’ny tolo-dalàna, ny teny dia tsy fitaovam-pifandraisana fotsiny, fa mitondra fahalalana, kolontsaina ary maha-izy ny firenena. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ihany koa ny fananana teny iray ifampiresahan’ny mponina manerana ny Nosy, na dia manankarena amin’ny fitenim-paritra aza ny teny malagasy.

Nandritra ny adihevitra mialoha ny fandaniana ny tolo-dalàna dia nanamafy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, fa tsy mikendry ny hanaisotra na handà ny fampiasana teny vahiny akory ity lalàna ity. "Tsy fanagasiana akory no hatao fa fanomezan-kasina ny teny malagasy," hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenenany, amin’ny maha-solombavambahoaka azy.

Fanamafisana ny maha-Malagasy

Nanentana ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa izy mba hamolavola politika nasionaly hanandratana ny teny malagasy. Nambarany fa vonona ny Antenimierampirenena hanohana sy hampandany izay tetikasa rehetra mikendry ny fanomezana hasina ny teny malagasy sy ny fanamafisana ny maha-Malagasy.

Na dia lany aza ny tolo-dalàna, dia mbola maro ny dingana takiana mba hampiharana azy amin’ny fomba mahomby. Anisan’izany ny fanangonana sy fandrindrana ireo voambolana teknika ampiasain’ny sehatra sy sampandraharaham-panjakana rehetra, mba hahafahana mandika sy mampiasa teny malagasy manara-penitra amin’ny antontan-taratasy ofisialy. Ho an’ny mpanohana ity lalàna ity, dia dingana lehibe mankany amin’ny fanomezana lanja ny teny iombonan’ny Malagasy sy fanamafisana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao sy tolotra amin’ny teny takatry ny sainy ny fandaniana ity tolo-dalàna laharana faha-006-2026/PL ity.

Lire la suite

Articles Similaires