Fampiofanana arak’asa : Mpianatra miisa 281 hifaninana hiditra ao amin’ny sampana CAPS
Tanterahina ny androany 30 jona sy rahampitso 1 jolay 2026 ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany ao amin’ny sampana Certificat d’Aptitude Professionnelle Spécialisée (CAPS). Mpifaninana miisa 281 no hiatrika izany amin’ireo foibem-panadinana efatra manerana an’i Madagasikara.
Fiofanana mifototra amin’ny fahaiza-manao sy ny filàn’ny tsenan’asa
Karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’Asa, miaraka amin’ny tetikasa CNEF BTP, ity fifaninanana ity. Ny fiofanana CAPS dia mampihatra ny Approche Par les Compétences (APC), izay manome lanja ny fahaiza-manao azo ampiharina eny amin’ny sehatry ny asa. Raha tsiahivina ny tanjony dia mba hahafahana manaraka fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy.
Ao amin’ny LTP GC Mahamasina, LTP Mantasoa, LTP Toamasina ary LTP PK4 Antsiranana no hanatanterahana ny fanadinana, izay samy eo ambany fiahian’ny DRETFP Analamanga, Atsinanana ary Diana. Rehefa tafa amin’ity fifaninana ity ireo mpiadina dia lalam-piofanana enina no misokatra ho ho azy ireo. Ao anatin’izany ny Maçon Gros Œuvre (MGO), Installateur Sanitaire-Plomberie (ISP), Carreleur-Finisseur-Peintre (CFP), Électricien Bâtiment (ELEC BAT), Métallier-Soudeur-Tuyauteur (MST) ary Charpentier Bois Couvreur (CBC).
Marihina moa fa maharitra 2 500 ora ny fiofanana, ka 70 % amin’izany dia fampiharana ary 30 % fampianarana an-dakilasy. Kendrena amin’izany ny hanofanana tanora manana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa sy ny tsenan’asa, kanefa amin’ny fotoana fohy.
Mbola vitsy no misafidy ity lalam-piofanana ity
Na dia manamora ny fidirana amin’ny asa aza ny CAPS, dia mbola vitsy ireo tanora misafidy ity lalam-piofanana ity. Raha ampitahaina dia nahatratra 75 000 teo ho eo ireo mpiadina niatrika ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany eny amin’ireo lisea teknika manerana ny Nosy tamin’ny 18 jona lasa teo. Ity fiofanana ity anefa dia mikendry ny hanamafy ny fanofanana ireo tanora amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy. Tanjon’ny Minisitera ny hampitombo ny isan’ireo tanora manana fahaiza-manao matihanina sy hanamora ny fidirany amin’ny tsenan’asa, sady handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.




