• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Eo an-dalam-pandinihana ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny teny malagasy

29/06/2026 17:19 © Moov.Mg

Nofaranana tamin’ny fomba ôfisialy androany 29 jona 2026 ny Iray Volan’ny Teny Malagasy. Nandritra izany no nanamafisan’ireo tompon’andraikitra fa efa mandinika ny tolo-dalàna hametrahana ny pôlitikan’ny fampiasana ny teny sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara ny Antenimierampirenena. Heverina ho dingana lehibe izany, amin’ny fanomezana sata mazava kokoa ny teny malagasy eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny raharaham-panjakana.

Lalàna hiantoka ny fampiasana ny teny malagasy

Teny amin’ny Toby jeneraly Philibert Ramarolahy, eny Betongolo, no nanakatonana tamin’ny fomba ôfisialy ny Iray Volan’ny Teny Malagasy taona 2026. Nandritra ny lanonana no nanambarana fa efa miroso amin’ny fandinihana ny tolo-dalàna mirakitra ny pôlitikan’ny fampiasana ny teny sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara ny Antenimierampirenena, ao anatin’izao fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity izao. Araka ny fanazavana nataon’ny Kôlônely Rampanarivo Thierry Solofoniaina, mpanolo-tsaina avon’ny Fanavaozana, dia ilaina ny fananana lalàna mazava, satria tsy tokony hijanona ho fanentanana na toromarika fotsiny ny fampiasana ny teny malagasy. Rehefa voafaritra ao anatin’ny lalàna ny pôlitika momba ny teny, dia hanamora ny fampiharana azy eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana sy ny sehatra maro hafa izany.

Notsindrian’ity tompon’andraikitra ity fa singa telo no maneho ny fiandrianam-pirenena, dia ny tany, ny teny ary ny vahoaka. Araka izany, tsy raharahan’ny ministera misahana ny kolontsaina na an’ny mpanoratra sy ny mpikaroka irery ny teny malagasy, fa raharaham-pirenena iankinan’ny fahombiazan’ny fanabeazana, ny fanofanana, ny serasera ary ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Amafisina ny teny malagasy amin’ny sehatra ôfisialy

Nomarihin’ny Kôlônely Rampanarivo Thierry Solofoniaina ihany koa, fa maherin’ny 80%-n’ny Malagasy, amin’ny mponina manodidina ny 30 tapitrisa, no mampiasa ny teny malagasy amin’ny fiainana andavanandro. Izany no antony anomezana lanja manokana ny fanamafisana ny toeran’ny teny malagasy amin’ny sehatra ôfisialy. Noho izany, ankoatra ny fanohanana ny volavolan-dalàna, dia nambarany androany ny fanombohana tetikasa roa lehibe. Voalohany amin’izany ny fandaharanasa fanomezana lanja ny teny malagasy amin’ny raharaham-panjakana manerana ny Nosy. Kendrena amin’izany ny hampiasana bebe kokoa ny teny malagasy amin’ny fifandraisana sy ny antontan-taratasy ôfisialy.
Ny tetikasa faharoa kosa dia ny famolavolana ny boky Fehim-panoratana ny teny malagasy, tarihin’ny Akademia Malagasy momba ny teny miaraka amin’ireo mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Antenaina fa hanampy amin’ny fampiraisana sy fanavaozana ny fitsipika momba ny fanoratana teny malagasy izany boky izany.

Fanofanana ho an’ny mpiasam-panjakana

Nandritra ny famaranana ny Iray Volan’ny Teny Malagasy androany ihany koa no nanombohana ny fiofanana momba ny teny sy ny voambolana fampiasa ho an’ny mpiasam-panjakana. Zandary miisa 50 no nisitraka ny fiofanana santatra teny Betongolo, izay vinavinaina hitarina manerana an’i Madagasikara.

Io fiofanana io dia isan’ny dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny vina hampiroboroboana ny fampiasana ny teny malagasy ao amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Raha lany ny tolo-dalàna dinihin’ny Antenimierampirenena, dia hiorina amin’ny fototra ara-dalàna mazava kokoa ny fampiharana izany pôlitika izany, ka hanamafy ny toeran’ny teny malagasy ho fitaovam-pifandraisana sy mariky ny maha-firenena an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires