Humanité & Inclusion : Tokantrano 751 ao Toamasina no tohanana hanarina ny fivelomany taorian’i Gezani
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, manatanteraka tetikasa fanarenana ara-toekarena ao amin’ny Kaominina Fanandrana, Distrikan’i Toamasina II ny Humanité & Inclusion (HI). Tokantrano miisa 751 no kendrena hanamafy ny fizakan-tena ara-bola sy ny fahafahany miatrika ny loza, amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa, notanterahina nanomboka ny volana Mey ka hatramin’ny Novambra 2026 izao.
Fanohanana ho amin’ny famerenana ny asa fivelomana
Ao amin’ny fokontany Ambodikily sy Ambatorao no anatanterahana ny tetikasa, izay maro amin’ireo fianakaviana no very na voadona mafy ny loharanom-pivelomany vokatry ny rivodoza. Tanjona ny hanampy ireo tokantrano hisitraka ny tetikasa hahazo tsikelikely fahamarinan-toerana ara-toekarena sy hamaly ireo filàna maika atrehan’izy ireo.
Ho fanatanterahana izany dia manome fanampiana ara-bola ny Humanité & Inclusion, hanampiana ny tokantrano amin’ny lafiny sakafo sy amin’ny famerenana ny asa fivelomana. Hisy ihany koa ny tsenabe iarahan’ny fiarahamonina, hahafahan’ireo mpamokatra sy mpivarotra madinika mifandray indray amin’ny tsena sy mampiverina ny fivezivezen’ny toekarena eny ifotony. Marihina fa vatsian’ny fandaharan’asa ARC Replica ara-bola, ny asa rehetra tanterahina ao anatin’ity tetikasa ity.
Fanamafisana maharitra ny fahafahan’ny mponina miarina
Ankoatra ny fanampiana ara-bola dia mifantoka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisitraka ihany koa ny tetikasa. Hisy fiofanana momba ny fitantanana ara-bola mba hanampiana ny tokantrano hitantana tsara kokoa ny volany sy handrafitra ny hoaviny ara-toekarena. Ho entanina momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ny fomba mampiaty ny rehetra, ihany koa ny mponina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa koa ny fiarovana ny mponina sy ny fanampiana amin’ny fanarenana ireo taratasy ara-panjakana simba na very nandritra ny fandalovan’ny rivodoza.
Ho an’ny Humanité & Inclusion, raha ny nomarihina dia tsy ny famaliana ny vonjy taitra ihany no tanjona, fa ny hanampy ireo fianakaviana hahazo indray ny fizakan-tenany sy ho vonona kokoa hiatrika ireo loza mety hitranga amin’ny ho avy. Araka izany, mbola tsy tena tafarina i Toamasina, ka ankoatra ny fitondram-panjakana dia miezaka ihany koa ireo fikambanana samihafa, manampy ny mponina any an-toerana.




