• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fondation Axian : Nanolotra kojakoja ilaina andavanandro sy firakotra mafana ho an’ireo marefo

20/06/2026 17:19 © Moov.Mg

Toy ny efa fanaony isan-taona dia nizara hafaliana ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana sady manana fahasembanana ahiany ny Fondation Axian, androany 20 jona 2026. Tanjon’ny hetsika androany ny fanohanana azy ireo, mba hahafahan’izy ireo mifaly tahaka ny rehetra, amin’izao fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena izao.

Fiatrehana ny fetim-pirenena sy ny ririnina

Fito taona mahery izao no manome fanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana no sady manana fahasembanana ny vondron’orinasa Axian, amin’ny alalan’ny Fondation Axian. Isam-bolana dia mandray lelavola izy ireo, hampiasainy amin’izay mety ilany azy, toy ny hofan-trano, saram-pianaran’ny ankizy, sakafo andavanandro… Rehefa volana desambra, ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona, sy rehefa volana jona, ankatoky ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena kosa, dia miampy fanomezana hafa izany.

Ho an’ity androany ity dia notoloana kojakoja ilaina amin’ny andavanandro ireto olona ahian’ny Fondation Axian ireto, niampy lamba firakotra mafana, mba hahafahan’izy ireo miatrika ny ririnina ihany koa. « Raisinay ho adidy tandrify anay ny fanohanana ny fianakaviana sahirana tahaka izao, satria Andriamanitra no mampioborobo ny orinasa, ka izay omeny dia tokony zaraina », hoy ny filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa Axian, Amin Hiridjee.

Hijery manokana ny ankizy mila tohana

Araka ny fanazavan-dRazakamanantsoa Jessica, mpitondra tenin’ny vondrona Axian, dia fotoana ifankahitana amin’ireo mpisitraka ny tohana avy amin’ny Fondation Axian ihany koa ireo vanim-potoana roa ireo, ifanontaniana vaovao sy izay mety ho tranga iainan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. Miisa 75 izy ireo ankehitriny, izay mitombo isa hatrany isan-taona. Amin’ity taona ity dia hampiditra olona miisa 10 vaovao ny vondrona Axian, ho isan’ireo mpikambana hisitraka ny tohana omeny. Olona tena sahirana, manana fahasembanana ary latsaky ny 16 taona no horaisina. Araka ny nambaran’i Amin Hiridjee dia hojerena manokana ny ankizy amin’ity taona ity, ka hotohanana amin’ny sehatra samihafa tandrify azy avy, toy ny fianarana raha mbola afaka mianatra, ny fanafody ho an’ireo tsy salama, sns.

Etsy an-daniny, tao anatin’ny taona vitsy izao dia manome fanampiana ho an’ireo akany fitaizana zaza kamboty sy ny zanak’ireo voafonja ihany koa ny Fondation Axian. Asa sahaniny, ankoatra izay, ny fanamboarana sy fanatsarana ny sekoly, amin’ny alalan’ny Sekoly Yas ; ny fanamboarana tobim-pitsaboana, amin’ny alalan’ny Salama BNI sy Miahy Jovena ; ny fanorenana kianja fanaovana fanatanjahantena marolafy sy fampiroboroboana ny fahafahan’ny tanora manao fanatanjahantena, amin’ny alalan’ny Mihetsika Mvola.

Lire la suite

Articles Similaires