• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fid
Image
Vaovao

Ankorondrano : Roa andro hahafantarana ny fahombiazan’ny tetikasa Haraton’Aina sy ireo mpisitraka azy

15/06/2026 15:13 © Moov

Hotanterahina rahampitso 16 jona, amin’ny 2 ora tolakandro ary hitohy ny 17 jona ao amin’ny Gymnase Ankorondrano ny fampirantiana natokana ho an’ny tetikasa Haraton’Aina, an’ny Fonds d’Intervention pour le Développement (FID). Ho hita mandritra izany ireo karazana fandaharanasa fiahiana mpiara-belona. Tanjona mao ny hahafahan’ny besinimaro mahita mivantana ny vokatra sy ny fiovan’ny fiainan’ireo mpisitraka.

Mpisitraka hatramin’ny 40 no hizara ny traikefany

Hetsika iray hanasongadinana ny vokatry ny fandaharanasa fiahiana ara-tsosialy no hotanterahina mandritra ireo roa andro ireo. Mpandray anjara manodidina ny 40, izay nisitraka ny tetikasa teo aloha ary lasa mpamokatra na mpandraharaha amin’izao fotoana izao, no hanolotra ny traikefany sy ny lalam-pahombiazany.
Ankoatra ny fijoroana vavolombelona dia hisy ihany koa ny fampirantiana sy fivarotana ireo vokatra novokarin’izy ireo. « Tanjona amin’izany ny hampiseho amin’ny vahoaka fa afaka manampy ny tokantrano hiala amin’ny fahantrana sy hanatsara ny fari-piainany ny fandaharanasa fiahiana ara-tsosialy rehefa ampiarahina amin’ny fanohanana maharitra sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao », hoy ny fanazavana avy amin’ny FID, izay mpikarakara, sady tompon’ny fandaharan’asa.
Haseho mandritra ny hetsika ihany koa ireo asa sy tetikasa niteraka fidiram-bola, nampiroborobo ny famokarana ary nanamafy ny fizakan-tenan’ny tokantrano sy ny vondrom-piarahamonina, mpisitraka.

Vokatra hita maso tao anatin’ny folo taona

Hatramin’ny taona 2016, maherin’ny 1,98 tapitrisa ireo fianakaviana sahirana sy marefo no efa voakasiky ny fandaharanasa haraton’aina eto Madagasikara. Anisan’ireo fandaharanasa ireo ny Asa Avotra Mirindra, izay manohana ny famokarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny Vatsin’Ankohonana sy Fiavota, izay manampy amin’ny fampandrosoana ny renivola mahaolona sy ny fidiram-bola, ary ny Asa Vonjy Voina, izay natao hanampiana ireo vondrom-piarahamonina tratran’ny krizy.
Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, tsy vitan’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tokantrano ihany no vokatra azo, fa hita ihany koa ny fitomboan’ny fandraisana andraikitra ara-tontolo iainana, ny fanamafisana ny firaisankinan’ny mponina ary ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana.
Fotoana ahafahan’ny rehetra mahita mivantana ny vokatra sy ny fiovana entin’ny fiahiana ara-tsosialy eo amin’ny fiainan’ny Malagasy, araka izany, ity fampirantiana ity. Tsara ny mampatsiahy fa ny FID no manatanteraka ny tetikasa Haraton’Aina vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, miaraka amin’ny fanohanan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina.

Lire la suite

Articles Similaires