Ny olana amin’ny fitadidiana aorian’ny fiterahana: ‘ndeha ho resahana !
Maro ny vehivavy mahatsikaritra hoe lasa manadino zavatra maro kokoa rehefa avy niteraka : manadino toerana nametrahana zavatra, fotoana nifanomezana, zavatra tokony natao, na koa sahirana mifantoka. Tranga mahazatra mety hiseho mandritra ny herinandro na volana vitsivitsy aorian’ny fiterahana izy io. ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasa ny olan’ny fitadidiana aorian’ny fiterahana.
Nahoana no mety hisy fiantraikany amin’ny fitadidiana ny fiterahana?
Maro ireo lafin-javatra mety hisy fiantraikany amin’ny fitadidiana aorian’ny fiterahana, anisan’izany ny :
Fiovan’ny hormonina
Aorian’ny fiterahana dia mihena tampoka ny hormonina sasany ao amin’ny vatana, indrindra ny « œstrogène » sy ny « progestérone ». Ireo fiovana ireo dia mety hisy fiantraikany amin’ny fiasan’ny atidoha, ny toe-po ary ny fahaizana mifantoka. Noho izany dia mety hahatsapa ho toy ny misavorita-tsaina na manjavozavo ao an-tsaina ny reny sasany.
Tsy fahampian-torimaso
Matetika dia mifoha imbetsaka amin’ny alina ny zazakely vao teraka. Manelingelina be ny torimaso izany. Ny torimaso anefa dia tena ilaina amin’ny fitadidiana sy ny fifantohana. Raha tsy ampy torimaso ny olona, na dia kely aza, dia mety ho mora manadino sy sahirana kokoa amin’ny fifantohana sy ny fitadidiana.
« Charges mentales » na vesatra ara-tsaina
Mitombo ny andraikitra aorian’ny fahatongavan’ny zaza : fikarakarana ny zaza, fanaraha-maso ny sakafo, fitsidihana any amin’ny mpitsabo, fitantanana ny tokantrano ary indraindray ny fiverenana miasa. Ireo zavatra rehetra ireo dia mitaky fitadidiana sy fandaminana maro ka mahatonga ny reny hahatsapa fa tsy mandeha tsara intsony ny fitadidiany. Ny marina nefa dia lasa be loatra ny zavatra ieren’ny atidoha ka mahatonga fanadinoana samihafa.
Rarintsaina sy tebiteby
Aorian’ny fiterahana dia mety hiahiahy amin’ny fahasalaman’ny zaza, ny fandaminana ny fiainam-pianakaviana ary ireo fiovana lehibe eo amin’ny fiainana ny reny. Rehefa feno rarintsaina sy tebiteby ny saina dia sarotra kokoa ny mitadidy « informations » na mifantoka amin’ny asa iray.
Inona avy ireo soritr’aretina mahazatra?
Ny olana amin’ny fitadidiana aorian’ny fiterahana dia mety hiseho amin’ny endrika maro:
-Manadino ny toerana nametrahana fanalahidy na finday.
-Manadino fotoana voatondro (rendez-vous) na asa tokony hatao.
-Sahirana mahita teny mandritra ny resaka.
-Sahirana mifantoka ela amin’ny zavatra iray.
-Mahatsapa havizanana ara-tsaina na fikorontanan-tsaina matetika.
Amin’ny ankapobeny dia tsy dia mafy loatra ireo soritr’aretina ireo ary tsy manakana ny fiainana andavanandro.
Hafiriana no mety haharetan’izany?
Miankina amin’ny vehivavy tsirairay ny faharetany. Ho an’ny sasany dia miverina amin’ny laoniny ihany ny fitadidiana sy ny fifantohana ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Ny an’ny hafa kosa mety haharitra mandritra ny volana maromaro. Matetika dia mihatsara tsikelikely ny toe-javatra rehefa milamina kokoa ny torimaso ary mihazatra amin’ireo andraikiny vaovao ny reny.
Torohevitra manampy hanatsarana ny fitadidiana aorian’ny fiterahana
Mba hanatsarana ny fitadidiana aorian’ny fiterahana dia misy ireo torohevitra manampy tsara ampiharina :
-Miezaka maka aina araka izay azo atao. Na dia sarotra aza ny matory ela rehefa misy zazakely vao teraka, ny torimaso fohy mandritra ny andro dia afaka manampy betsaka mba hampihenana ny havizanana sy hanatsarana ny fiasan’ny atidoha.
-Mampiasa « aides-mémoire » toy ny fanaovana lisitra, fampiasana « agenda », fanairana amin’ny finday mba hisorohana ny fanadinoana zavatra sy hampihenana ny vesatra ara-tsaina.
-Mihinana sakafo voalanjalanja. Ny sakafo manankarena voankazo, legioma, proteinina, trondro misy tavy mahasalama dia manampy betsaka amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny atidoha. Zava-dehibe koa ny fisotroana rano ampy isan’andro.
-Mangataka fanampiana amin’ny vady, fianakaviana na namana akaiky mba hampihenana ny rarintsaina sy hanana fotoana hialana sasatra.
-Karakaraina ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fandehanana tongotra, fanazaran-tena maivana na fialamboly dia afaka manampy amin’ny fampihenana ny rarintsaina sy ny fanatsarana ny fifantohana.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Amin’ny ankapobeny dia ara-dalàna ny fanadinoana madinika aorian’ny fiterahana. Tsara kosa nefa ny manatona mpitsabo raha toa ka lasa mafy loatra ny olana amin’ny fitadidiana, miharatsy rehefa mandeha ny fotoana, na miaraka amin’ny soritr’aretina toy ny alahelo maharitra, tebiteby tafahoatra, tsy fahalianana amin’ny zavatra nahafaly taloha, na fahasarotana amin’ny fikarakarana ny zaza. Mety ho famantarana ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana (dépression post-partum) izany ka mila fitsaboana sahaza.




