• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Lalàna vaovao momba ny antoka: hisokatra bebe kokoa ny varavaran’ny famatsiam-bola, ho an’ny Malagasy

06/06/2026 11:48 © Moov.Mg

Nolanian’ny Antenimierampirenena tamin’ny endriny nasiam-panitsiana ny 4 jona 2026 ny Volavolan-dalàna laharana faha-024/2025 mahakasika ny antoka. Fanavaozana lehibe eo amin’ny tontolon’ny famatsiam-bola izy ity, satria manamora ny fahazoan’ny tantsaha, ny mpandraharaha ary ny orinasa madinika sy salantsalany famatsiam-bola hampandrosoana ny asany, araka ny fanazavana nentin'ny filohan'ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny.

Araka ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Banky Foiben’i Madagasikara, dia mikendry ny hanaisotra ireo sakana araka ny lalàna sy ara-teknika, izay mbola mampihemotra ny fivezivezen’ny fampindramam-bola eto Madagasikara ity volavolan-dalàna ity. Tombanana mantsy fa efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena ankehitriny intsony ny lalàna mifehy ny antoka izay nampiharina teto amintsika. Mba hanitsiana izany, ny volavolan-dalàna vaovao dia mitondra fanavaozana betsaka eo amin'ny rafitra araka ny lalàna momba ny antoka amin’ny fananana azo afindra. Ny tanjona dia ny hahatonga ny antoka ho fitaovana mora ampiasaina kokoa, azo antoka ary mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatra ara-bola sy amin'ny tontolon’ny fandraharahana maoderina.

Fanavaozana mifanaraka amin’ny filàn’ny toekarena ankehitriny

Anisan’ny fanavaozana lehibe indrindra entin’ity lalàna ity ny fanitarana ireo karazana fananana azo ampiasaina ho antoka amin’ny fampindramam-bola. Hatramin’izay dia tany na trano ihany no neken’ny banky sy ny mpampindram-bola ho antoka. Aorian’ny fampiharana ity lalàna ity kosa dia azo atao antoka ihany koa ny fitaovam-piasana, ny milina sy kojakoja, ny fiara, ny tahirin’entana, ny vola mbola andrasana avy amin’ny mpanjifa, ny petra-bola sy ny kaonty amin'ny banky, ary ny zo ara-barotra na fananana ara-tsaina sasantsasany.

Araka izany, rehefa mihatra ity lalàna ity dia hisy olona maro kokoa ho afaka mangataka famatsiam-bola, na dia tsy manana tany sy trano aza. Ho an’ny tantsaha, mpanjono, mpivarotra, tanora mpandraharaha ary orinasa madinika sy salantsalany, dia mety hanova tanteraka ny fahafahan’izy ireo mahazo renivola io fanavaozana io.

Mangarahara sy azo antoka kokoa ny fifampindramam-bola

Etsy an-daniny, nampidirina ao anatin’ny lalàna ihany koa ny famoronana ny “Registre National Electronique des Sûretés Mobilières”. Izy io dia tahiry nomerika nasionaly ahafahan’ny banky sy ny mpampindram-bola manamarina avy hatrany ireo antoka efa voasoratra anarana. Izany no natao dia mba hampitombo ny mangarahara sy ny fitokisana eo amin’ireo mpisehatra ara-bola. Ho mora kokoa mantsy ny manamarina ny satan’ny fananana iray, ary hihena ny mety hisian’ny fifandisoana na ny fifanolanana momba ny antoka efa nampiasaina.

Ankoatra izany, voafaritra mazava kokoa ao anatin’ity volavolan-dalàna vaovao ity ny zo sy ny adidin’ny mpampindram-bola sy ny mpisambotra. Misy ihany koa ireo fomba vaovao natao hanafainganana ny fanarenam-bola, raha sendra misy tsy fandoavana trosa.

Hampitombo ny fahafahana mamorona asa

Nambaran-dRandrianasoloniaiko Siteny Thierry, filohan’ny Antenimierampirenena, fa “vaovao lehibe” ho an’ny toekarena malagasy ity lalàna ity. Ny fanitarana ireo fananana azo atao antoka dia hanokatra varavarana vaovao ho an’ny mpandraharaha Malagasy amin’ny fahazoana famatsiam-bola, hoy izy. Azo heverina fa hanampy amin’ny fampitomboana ny fampindramam-bola omen’ny banky ity lalàna ity. Hahazo renivola mora kokoa ny tantsaha sy ny mpandraharaha, hisy orinasa vaovao hiorina, ary hitombo ny fahafahana mamorona asa, indrindra ho an’ny tanora, raha ny fanazavan'ny filohan'ny Antenimierampirenena.

Ankoatra ny fanamorana ny famatsiam-bola, ny lalàna dia mametraka ihany koa sazy mazava amin’ny fisoratana anarana hosoka na fanafenana fananana efa napetraka ho antoka. Izany dia natao hiarovana ny rafitra sy hanamafisana ny fitokisan’ireo mpampiasa vola anatiny sy ivelany. Raha fehezina, ny tanjona dia ny fametrahana rafitra maoderina, azo antoka ary mangarahara, ahafahan’ny Malagasy maro kokoa mahazo famatsiam-bola sy mampandroso ny asany.

Lire la suite

Articles Similaires